airtel

Actualités

31-juil-2026

Fisolokiana goavana

« scamming » Efa an-jatony ireo no

Sample post image

voasambotra sy voatsara…

31-juil-2026

Tena misy ny tambajotra goavana amin’ny fisolokiana avo lenta an’habaka eto Madagasikara. Namoaka ny Minisiteran’ny Fitsarana fa efa an-jatony ny voasambotra ary misy efa voatsara amin’ny raharaha «scamming » eto Madagasikara. Raha hazavaina tsotr, ny « scamming » dia fitaka hahazoana vola, mombamomba manokana na zavatra sarobidy amin’olona amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Ny sasany efa nalefa any amin’ny firenena niaviany. Antananarivo sy Toamasina no niandohan’ny fisolokiana an’habaka, saingy efa miparitaka amin’ny faritra maro. Miaraka amin’i Chine, Etazonia ary firenena afrikana toa an’i Afrika Atsimo, Kenya ary Rwanda no miara-miasa amin’ny ady amin’ny famarinan’olombelona sy scamming. Miezaka mamerina ireo teratany vahiny tratra ny fanjakana Malagasy. Natsangana ny « task force » iarahan’ny ministeran’ny fitsarana, ny ministeran’ny filaminam-bahoaka, ny zandarimariam-pirenena, ny ministeran’ny atitany ary ny BNLTEH hanaraha-maso ny scamming eto Madagasikara. Ny fiandohan’ny volana jona no efa nilaza ny Minisitry ny Atitany sy fitsinjaram-pahefana Hanitra Velonjara Tiaray Rakotonandrasana fa voamarina ny fisian’ny tambanjotra vahiny mirotsaka amin’ny asa miendrika hosoka ara-bola antsoina hoe "Skimming", izay ny resaka kaody sy kaonty amin’ny banky indray no lasibatra amin’ity, ampiasana fitaovana elektronika manokana hangalarana ny mombamomba ny karatra banky sy hanaovana fanodikodinana ara-bola. Teratany vahiny avy amin’ny firenena maro no voarohirohy. Olona 34 no voatazona am-ponja, ary vahiny 64 kosa no noroahina hiala ny faritry ny Repoblika, raha ny tatittra tamin’izany. Tafiditra amin’ireo voakasika ny avy any Bangladesh, India, Indonezia, Vietnam ary Shina, izay voatondro ho nandika lalàna na ahiahiana ho mifandray amin’ny tambanjotra mpanao hosoka ara-bola.
MAHAZO 8000 DOLARA ISAN’ANDRO NY OLONA IRAY, TONGA HATRAMIN’NY FANONDRANANA OLONA…
Isan’ny nisongadina ilay raharaha teny Tsarasaotra ny tapaky ny volana jona, izay nisiana gidragidra, nambara fa fandravana tambajotra mpanao « escroquerie en ligne » na « scamming » sy mpanao famarinan’olona na « traite des personnes ». Hetsika voalaza fa efa natomboka volana maromaro, efa nisy voasambotra sy naiditra am-ponja miandry ny fitsarana azy ireo. Raharaha fisolokiana avo lenta ny « scamming» izay misy olona any ivelany no lasibatra, efa fantatr’ireo olon-dratsy mialoha ny mombamomba azy ireo na « profil » an’ireo olona tiana hosolokiana. Tamin’ireo toerana efa nidinan’ny polisy, dia nahitana solosaina marobe. Efa misy taratsy kely maro fanoroana entina. Olona 700 no nampiasaina tao Tsarasaotra. Mahazo 8000 dolara isan’andro ny olona iray. « Visa touristique » no nidiran’ireo, ka betsaka ny tsy fanarahan-dalàna sy dingana tsy narahana, toy ny Visa maharitra na ahafahana mipetraka eto, izay tsy voahajan’ireo tambajotra manao fandraharahana antsokosoko. Vahiny 40 mahery no hita ny 13 jona teo amin’ny toerana iray eto Antananarivo, tsy manana pasipaoro, milaza fa nogiazan’ny lehibeny, izay ahafahana milaza fa misy « traite de personne » ihany koa amin’ity afera ity. Midika fa misy tambajotra goavana amin’ny resaka fisolokiana an’habaka sy ara-teknolojia eto. Ny governemanta Amerikanina ohatra dia nanamafy sy naneho ny ahiahiny tamin’ny alalan’ny Mpiraki-draharahany eto mikasika ny fisolokiana an’habaka eto, tao anatin’izao fankalazana ny ady amin’ny famarinana olombelona izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Naneho ny ahiahiny ny governemanta Amerikanina

Card image cap
31-juil-2026

Efa nilatsaka ny didy, tsy maintsy haverina ny fifidianana

Card image cap
31-juil-2026

hamaritra ny fivoahany na tsia…

Card image cap
31-juil-2026

ny reniny sy zokiny

Card image cap
31-juil-2026

Tavela ao Fianarantsoa nanomboka tamin'ny Alahady

Card image cap
31-juil-2026

tovolahy iray sakaizany…

Card image cap