airtel

Actualités

19-mai-2023

Actualités

Fisolokiana nataon’ny FILEFA Olona 3760 no very vola tamin’ny resaka tany tsy misy akory

Sample post image

Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny zandary misahana ny fikarohana ny heloka bevava etsy Fiadanana Antananarivo

19-mai-2023

dia fantatra fa resaka fisolokiana fotsiny ilay fampanantenana fanomezana tany nataon’ny fikambanana Leo Fahantrana (FILEFA). Tsy misy akory ilay tany 27 hekitara hozarain'ny fikambanana maimaim-poana ho an'ireo vahoaka an'arivony nampanantenainy izany. Olona manodidina ny 3760 isa avy ao amin'ny faritra Ivato, Paraky ary Andoharanofotsy noho izany no lasibatr’ity fisolokiana ity.Tafakatra 10 ireo olona voarohirohy amin’ity raharaha ity hatreto. Na izany aza mbola misy olona maromaro karohina koa. Mitentina 41.360.000 Ar eo ho eo kosa ny tomban'ny vola voasoloky. Natolotra fitsarana ny 16 may lasa teo izy 10 mianadahy mianaka ary samy notanana am-ponja vonjimaika avokoa miandry ny fitsarana azy. Tsiahivina moa fa anisan’ny novoizin’ny fikambanana ny mba hahafahan’ny Malagasy miady amin’ny fahantrana ka hialany amin’ny hofantrano kinanjo lainga avokoa no nafafiny nentiny nakana vola sy nambaboana ny fon’ny madinika.
Légende : Miandry datim-pitsarana anyam-ponja izy 10 mianadahy nanao ny afera maizina
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap