Natao tao Antananarivo ny fankalazana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny famarinana olombelona, hetsika izay nokarakarain’ny Birao Nasionaly Miady amin’ny Famarinana Olombelona (BNLTEH). Nandray fitenenana tamin’izany ny Mpiandraiki-draharaha Mpisolo toerana Melanie Higgins, izay nanasongadina ny finiavan’ny governemanta Malagasy sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ity loza maneran-tany ity. Naneho fankasitrahana manokana ny ezaka ataon’ny BNLTEH amin’ny fanatanterahana ny drafi-pirenena sy ny fandrindrana ny hetsika nasionaly i Melanie Higgins. Notsiahiviny fa nahazo fandrosoana i Madagasikara tamin’ny tatitra isan-taona navoakan’ny Departemantam-panjakana amerikana, izay nametraka ny firenena ho sokajy faha-2 tamin’ny taona 2025, taorian’ny nijanonany telo taona tao amin’ny lisitra fanaraha-maso. Io fiakarana io dia vokatry ny fampiharana lalàna sy ny fiarovana ireo lasibatra tamin’ny taona 2024 sy 2025. Hita taratra, hoy izy, ny vokatra tamin’ny fitomboan’ny isan’ireo mpamarina olona nenjehina sy nomelohin’ny fitsarana, ny fiakaran’ny isan’ireo lasibatra voamarina sy nalefa tany amin’ny sampan-draharaha mpanampy, ary ny fanamafisana ny fiofanana sy ny fanentanana. Namporisika ny tompon’andraikitra izy mba hanohy sy hanamafy izany ezaka izany. Ny lohahevitra maneran-tany amin’ity taona ity dia “Voafandriky ny fisolokiana an’habaka”, izay manasongadina ny toe-javatra iainan’ireo lasibatra voatery hanao famitahana an-tserasera noho ny fanerena sy ny trosa. Nambaran-dRtoa Higgins fa voakasik’ity tranga vaovao ity koa i Madagasikara, ka nanehoany ny ahiahin’ny governemanta amerikana momba ny fisian’ireo ivon-toerana mpanao antso fisolokiana eto an-toerana, araka ny tatitra navoakan’ny haino aman-jery. Nankasitrahany kosa ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanadihadiana. Notsindriany fa vonona hatrany ny governemanta amerikana hiara-miasa amin’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny zon’olombelona sy ny ady amin’ny famarinana olona. Ny famatsiam-bola avy amin’i Etazonia dia manampy ny UNODC hanamafy ny fahaiza-manaon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ara-pitsarana. Nisy ihany koa ireo mpitandro filaminana Malagasy nandray fiofanana manokana momba ny fanadihadiana sy ny fanenjehana heloka bevava. Namaranany azy ny filazana fa mbola misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainan’olona an-tapitrisany ny famarinana olona, ary tsy misy firenena afaka miatrika izany samirery. Nampanantena izy fa hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara mba hiadiana amin’ity heloka bevava ity sy hamerenana ny fanantenana ho an’ireo lasibatra.
Toky R