airtel

Actualités

11-sept-2023

Fisotroan’ny reny mitondra vohoka toaka

“Miteraka fahasamponana sy fahatarana ara-tsaina”

Sample post image

Tetsy amin’ny CGM Analakely no nanamarihana ny andro iraisampirenena amin’ny ady amin’ny soritr’aretina ateraky

11-sept-2023

ny fisotroan’ny reny mitondra vohoka toaka na SAF, “Syndrome d’alcoolisation foetale”. Ny SAF misahana ny ranomasimbe indianina eto Madagasikara, ASPE, CCAA, SRA, Ank’izy no niara-nisalahy tamin’izany ny sabotsy teo. Nofidiana manokana ny CGM izay fantatra amin’ny lafiny kolontsaina sy ny teny, hoy ny fanazavana, satria fantatra fa any amin’ny sehatry ny kolontsaina izao no tena mirongatra ny fisotroana zapa-pisotro misy alikaola sy fandraisana zava-mahadomelina. Vitsy nefa ireo manao fanentanana eny fa matetika eny amin’ny oniversite foana na hopitaly sy tahaka izany. Nofidianay manokana noho izany, hoy ny tomponandraikitra, ireo ankizy manao kolontsaina toy ny mpandihy, mpanao Slam, Mpanao Jazz sy ny rehetra. Ankoatran’ny fanentanana isan-karazany dia nampandraisina anjara hanao Slam momba ny lohahevitra ny ankizy. Toy izany koa ny tanora izay nampandraisana anjara anatina velan-kevitra momba izay lohahevitra izay. Efa betsaka ireo nanao fanentanana momba izay ady amin’ny fisotroan-toaka sy fandraisana zava-mahadomelina anay fa ny anay kosa ny tanjona dia ny hampahafantatra ny vokatr’izany dieny hoe mbola any am-bohoka ny zaza. Fahasamponan’ny zaza moa no tena voka-dratsy malaza. Toy izany koa ny fahataran’ilay zaza ara-tsaina. Ho avy aorian’ny ato amin’ny CGM ny fitohizan’ny hetsika izay hifantoka hatrany amin’ny fanentanana sy toromarika momba izay fisorohana voalaza teo izay, hoy hatrany ireto mpikarakara sy mpanentana ity hetsika ity ireto.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap