airtel

Actualités

06-févr-2023

Actualités

Fitakiana 20% amin’ny fanondranana entana Mitaraina noho ny kenda roroka ireo mpandraharaha

Sample post image

Mba hampitomboana ny loharanom-bolan’ny Fanjakana izay tsikaritra ho mandalo fahasahiranana, dia isan’ny manamarika izao fitondrana izao ny nametrahana ilay karazana tataon-ketra,

06-févr-2023

Droit de sortie” amin’ny fanondranana entana, izay mahatratra hatrany amin’ny 20% amin’ny vidiny hamarotana azy any ivelany na ilay antsoina hoe: “valeur déclarée”. Isan’ny politika teto hatrizay anefa ny hoe: tsy tataovana hetra ny fanondranana entana, mba hahafahana mampiditra vola vahiny, fa ny fanaraha-maso ny fampidiana izany na “rapatriement des devises” koa no tokony hamafisina. Manomboka mitaraina ireo mpandraharaha maro, fa tena famonoana ny toekarena sy ny mpandraharaha io, ary tsy izao no vahaolana raha sahirana ara-bola fa ny mamokatra ihany. Ahoana moa no hahavelona ny mpandraharaha eto amin'ny tanàna amin'izany, ary tsy ho afaka hifaninana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena mihitsy tsy ho “comptétitif”, araka ny fiteny vahiny. Maro ny entana mihitsoka ao amin’ny Seranantsambon’I Toamasina ankehitriny satria tsy mety mandoa io tataon-ketra 20% ny olona fa hoe maty izahay, hoy ny fampitam-baovao. Voapaingotra any amin’ny hofan'ny toerana hitobian'ny entana ao indray anefa ireo mpandraharaha dia efa mitombo ihany ny mason-karena. Sao mba tokony hitady vahaolana hafa ihany? Rehefa may volon-tratra tsy mahita vola ve izany ny Fanjakana dia atao kenda roroka ny mpandraharaha izay vao manomboka miarin-doha taorian'ny Covid 2 taona? Avy eo mbola manao don-tandroka be ihany koa isika hoe tsy maintsy ampodiana haingana ny volanareo any ivelany any. Manana ny heveriny fa rariny ny Fanjakana, kanefa toa tsy mahalala afa-tsy izay metimety aminy. Tena ekena hoe ampiharina ny lalàna fa misy zavatra mba mila dinihina lalina ihany fa rehefa ny mpandraharaha no marary anie, angaha misy azo atao fa dia hikatoka eo ny orinasa. Ny fanamby anefa ho an’ny taona 2023 dia hoe: “ho taonan’ny fandresena sy ny fihariana”, hampiroborobo ny fananganana indostria,… ka sao mba mifanohitra amin’izany ny fihetsika. Mba hampiroboroboana ny tsenan’ny fifanakalozana ara-barotra, isan’ny miezaka manalefaka ny resaka haba sy hetra mba hitsinjovana sy ny orinasa sy ny indostria ary hampiroboroboana ny toekareena ny firenena maro, tahaka ny Amerikanina amin’ny alalan’ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) ka mila mijery vahaolana hafa ihany ny Fanjakana mba tsy ho sanatria sady efa tsy mahavaha olana no mbola hamono ny kely sisa mijoro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap