airtel

Actualités

03-août-2023

Actualités

Fitakiana famotsorana gadra Nanome fe-potoana 5 andro ny mponin’i Mangalaza

Sample post image

Nitohy omaly ny fitakian’ny fokonolona avy any Managalaza tao Ambatondrazaka ny famotsorana ireo olona 6 naiditra am-ponja vonjimaika noho ny raharaha fitsaram-bahoaka niseho herintaona lasa izay.

03-août-2023

Olona voalaza fa nanafika no novonoin’ny fokonolona, ka ireo 6 no nosamborina tamin’ity herinandro ity, ary nalefa any am-ponja. Nisy ilay firohotana teny amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka afak’omaly hariva, izay niafara tamin’ny fanapoahana basy nanapariahana ireo fokonolona an’arivony. Nihaona tamin’ny tompon’andraikitry ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ireo solontenam-pokonolona omaly, ka nivoitra fa tsy maintsy arahina ny paipaika sy ny dingana ara-pitsarana fa tsy afaka ny hamoaka ireo olona ireo. Nifampitaona tany amin’ny Sampanan’I Mangalaza kosa ireo vahoaka, nikasa hiakatra tany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Ambatondrazaka, saingy noravan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fomba tsotra. Niandriandry tany amin’ny arabe sy ny manodidina ireo mponina. Nanome fe-potoana 5 andro kosa anefa ireo hamoahana ireo olona notanana am-ponja. “Ilay vahoaka maty sy velona, ny dahalo tafiditra an-drano matin’ny vahoaka, saingy ny vahoaka lasibatra indray no gadraina. Mivadika I Mangalaza, avoahy fotsiny ny namanay dia ampy”, hoy ireo mponina. Nilaza kosa ny teo anivon’ny Fitsarana, fa ekena ny hoe: mankarary vahoaka ny tsy fandriampahalemana, kanefa tokony handefa fitarainana sy hanolotra ny olon-dratsy amin’ny manam-pahefana, kanefa tsy izay no nitranga fa novonoina ilay olona. Raha atao fanao dia lasa tahaka ny tany tsy misy lalàna, hoy ny fanazavana. Andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap