airtel

Actualités

05-oct-2022

Actualités

Fitantanan-draharaham-panjakana sy angovo Nampanantena 41 tapitrisa euros ny Eoropeanina

Sample post image

Nanatanteraka fitsidihina ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo tao amin’ny biraony tao Antaninarenina ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eropeana,

05-oct-2022

Ramatoa Isabelle Delattre Burger omaly 04 oktobra. Ankoatra ireo dinika momba ny PEM (Plan Emergence Madagascar) sy ny mety hisian’ny famatsiana tetikasa, dia noresahina nandritra ity fotoana ity ihany koa ny programam-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izay maharitra 4 taona, ka ny 41 tapitrisa euros dia natokana ho an’ireo programa mahakasika ny tamberin’andraikitra : anisan’izany ny fanatsaràna ny fitantanam-bolam-panjakana izay mitentina 17 tapitrisa euros, eo ihany koa ny fanampiana ny JIRAMA sy ny ADER ary ny BACE, hoy ny tatitra. Mahatratra 325 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nampanantenain’ny Vondrona Eoropeanina ao anatin’ny 4 taona, raha ny resaka teny Iavoloha tamin’ny fitsidihan’ny Ambasadaorony ny Filoha, saingy heverina fa mbola arahina fepetra maro ny famoahana an’ireny. Ankoatra io, nihaona tamin-dRamatoa Minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ihany koa ny Solotena Maharitry ny IFC (International Finance Corporation), Ramatoa Marcelle Ayo, ho fanomanana ny fivoriam-be isan-taonan’ny Banky Iraisam-pirenena any Washington ny 10 hatramin’ny 10 oktobra 2022 izao, handraisan’I Madagasikara anjara. Hisy ny fihaonan’ny delegasiona izay tarihin-dRamatoa Minisitra amin’i Filoha Lefitry ny IFC ho an’ny Faritra Afrika, Andriamatoa Sérgio Pimenta, hoy hatrany ny tatitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap