airtel

Actualités

11-nov-2021

Actualités

Fitantanana mampiahiahy Nampanginina ilay “prime” amina miliaran’ny Jirama ?

Sample post image

Herinandro omaly no nisian’ilay karazana antontan-kevitra niparitaka nilaza fa volabe 1 031 000 000Ar no nifampizaran’olona 32 tao amin’ny Jirama,

11-nov-2021

 ka 180 000 000Ar ny an’ny Tale Jeneraly teo aloha Atoa Vonjy Andriamanga, 140 000 000Ar ny an’ny Tale Jeneraly Mpisolo toerana Atoa Rivo Radanielina,…. “Fanakorontanana iniana atao. Atontan-taratasy notefena ivelan'ny jirama, fa tsy nivoaka avy amin'ny orinasa”, hoy Rivo i Radanielina, izay naneho fa tsy mandà ny fisian'ny " prime", fa kosa manaja ny lalàna misy no sady manaja ny fenitra fandoavana izany. Nambara tamin’izany fa efa mandeha ny fanadihadihadiana mahakasika ny raharaha, hikarohana ny olona mety nandrafitra sy nanaparitaka io atontan-taratasy io », hoy izy ny 3 novambra teo. Tsy niandry ela kosa i Mahery Lanto Manandafy, isan’ny nanao ilay ampamoaka voalohany, naneho hoe : Omeo ahy ny porofo fa diso io taratasy navoakako io, torio hoe jerena”. Naneho ihany koa Atoa Serge Zafimahova fa « Mazava tsara ilay « documents » niparitaka, ny salan’isa ao anatin’iny, misy « prime » mihodinkodina, 827 tapitrisa Ar, fa rehefa jerena dia 1,031 miliara Ar izy raha « brut ». Tsy nihambahamba izy nilaza fa tsy misy mitombina ny fanazavana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Jirama. Misy ny vola manodidina ny 120 miliara Ariary izay tsy hita popoka raha ny kajikajy nataony. Nisy ihany koa ilay filazany fa nahazo fiara tsy mataho-dàlana ny Minisitra, Tale Jeneraly,… Ny tany amin’ny Minisitera raha tsy diso aho hoy izy, dia nalohan’ny Jirama 100%. Ny taty amin’ny Jirama 60% alohan’ny Jirama, 40% alohan’ny tompon’ny fiara, ary afaka 3 taona dia azon’izy ireo ny fiara,... Mby aiza ilay ambara fa tena marina sy porofo nangatahin’I Mahery Lanto Manandafy? Nahoana no tsy mitory ny Jirama eo anatrehan’ny heveriny fa fanalam-baraka azy? Hatreto, tsisy fanazavana maharesy lahatra. Tsy misy milaza eto fa meloka Rakoto na Rabe, fa ny mahagaga kosa dia ny toa nampanginana tsotr’izao ny raharaha tsy misy fitsirihana lalina na “audit”, tsy misy fanadihadian’ireo sampan-draharaha misahana amin’ny ady amin’ny kolikoly na mitombina na tsia kanefa amina miliara maro resaka. Asa mba hisy ihany koa ve ny fanadihadiana parlemantera momba io orinasa io? Rehefa mpanao facebook manohintohina ny Fanjakana ihany ve no tonga dia migadra 44 volana any Antanimora na Tsiafahy fa ny ahiahy amin’ny mety ho fanodinana volam-bahoaka amina miliara tsy misy na hivina fanadihadiana aza ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap