Tsy vaovao amin'ny asa eo anivon'ny haino aman-jerim-panjakana intsony ny tenany ary efa nisahana andraikitra manan-danja na teo anivon'ny televizionina na teo anivon'ny radio izay taninketsa niaingan'i Tharcisius Raherinandrasana", hoy ny fanazavana. Efa nisahana ny fitaleavana iraisam-paritr'Analamanga sy Vakinankaratra ny tenany ary lehiben'ny sampan-draharahan'ny fampahalalam-baovao teo anivon'ny Televiziona Malagasy. Ny traikefany, ny fahavononany no anisan'ny antony nanosika ny minisitera hanendry azy amin'io toerana io. Nanatrika ny lanonana famindram-pitantanana ny Sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina, Ralaimazava Johary, nisolo tena ny minisitra Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa