Navoakan’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence omaly talata 28 Aprily 2026, fa mikasa hiala amin’ny fandraisana anjara ao amin’ny Ravinala Airports ny Vondrona ADP (Aéroport de Paris teo aloha). Marihina fa 10 taona eo izay no nitantanan’ny Ravinala Airports ny seranana Ivato sy Nosy Be. Ny Tahirim-bola frantsay Meridiam no voalaza fa hividy ny anjaran’ny ADP, ary vinavinaina ho vita alohan’ny faran’ny taona 2026 ny fifampivarotana, raha ho tanteraka tokoa. Raha ny rafitra ankehitriny, Meridiam no mitazona ny anjara lehibe indrindra (65%), raha ADP ny kosa manana 35%. Aorian’ny fifanarahana vaovao, Meridiam irery no ho mpampiasa vola ao amin’ny Ravinala Airports. Ny olana ara-bola dia nipoitra noho ny fampiatoana ny fanavaozana ny “redevances” nandritra ny fitondran’i Andry Rajoelina, ka tsy nahafahana nampihatra ny fanitsiana ara-dalàna voarakitra ao amin’ny fifanarahana, k niteraka fatiantoka, raha ny voalazan’io fampahalalam-baovao io. Tamin’ny volana Janoary 2026, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely Michaël Randrianirina, dia naverina navaozina ny rafitra “redevances.” Na izany aza, heverin’ny ADP fa mbola tsy ampy hanonerana ny fatiantoka izany, hoy hatrany ny tatitra. Na dia hiala aza ny ADP, Ravinala Airports dia nanamafy tamin’ny 21 Aprily 2026 fa mbola hanohy ny fampiasam-bola hatramin’ny 97,3 tapitrisa euros mandra-pahatongan’ny taona 2044, ka 44 tapitrisa euros amin’izany no ho ampiasaina mandritra ny telo taona manaraka. Ny Ravinala Airports dia natsangana tamin’ny taona 2016 niarahan’ny Meridiam, ADP, Bouygues ary Colas. Saingy noho ny fatiantoka ara-bola, ireo mpiara-miombon’antoka sasany dia misintaka tsikelikely amin’izao fotoana izao. Raha fintinina: Meridiam no ho tompon’andraikitra tokana amin’ny Ravinala Airports hatramin’ny 2044, raha hiala ihany koa ny ADP.
Toky R
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"