airtel

Actualités

26-avril-2023

Actualités

Fitantanana sy fampandrosoana kaominina

Sample post image

Mila jerena ny fanamorana ny famorian-ketra”

26-avril-2023

Ny hetran-trano sy hetran-tany no fidiram-bola tena mivantana any amin’ny Kaominina, fa efa nampianarina anay ihany ny fomba fitakiana hetra rehefa miziriziry ilay olona, saingy mbola tsy nampihatra an’izany, fa fanentanana no natao hatreto. Momba ny hetra tambatra, efa nanomboka nanao fanentanana ihany koa ny kaominina nanomboka tamin’ity taona ity ka nanentana ny olona fa tokony handoa hetra, toy ny mpanao volo, ny mpanao sodira, mpanamboatra bisikileta, mpanao asa tànana,…”, hoy Atoa Andrianaivo Rakotobe Christian ben’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo, raha nanontaniana momba ny resaka fampidiram-bolan’ny kaominina. Eo amin’ny lafiny lalàna sy ny fitsinjaram-pahefana, aminy dia mila fijerena ny fahafahan’ny fahefana feno amin’ny lafiny famorian-ketra io izay na iarahana amin’ny sampan-draharahan’ny hetra na ho an’ny kaominina mandeha irery. Misy mandoa hetra ary misy ny tsy mandoa, kanefa tena maniry tahaka ny anana ohatra ny mpivarotra, toy ny resaka toaka izay tokony handoa daholo, fa tsy hoe ny anay 20 tavoahangy ihany, io no mba hamelomanay vady aman-janaka,…. Ny lalàna anefa no mila hapetraka hamaritra izany, fa tsy anjaranay, fa atsipy ihany, hoy io ben’ny tanàna io. Anio moa dia misy ny fiofanana fangalan-kevitra ho fanatsarana ny fampidiran-ketra iarahana amin’ny FDL (Fonds de Développement Local). Misy karazany 23 eo ny hetra, izay misy ny sarotra ny maka azy. Hojerena isaky ny andinin-dalàna, misy izao hetra farahafabetsany 5000Ar isaky olona feno 18 taona, saingy mbola tsy sahy nampihatra izany ny Kaominina. Tsy tokony hihoatra ny distrika hanaovana fandraharahana ihany koa anefa satria raha ny zava-misy, dia misy ireo mpandraharaha atambany amin’ny zavatra ataony any Arivonimamo ny fandoavany hetra satria any no hoe: mora, ka lasa voadingana ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo, hoy izy. Lasa tsy azo ny vola kanefa betsaka ny asa sy tetikasa, raha ny nambarany. Mila jerena ihany koa ny lalàna momba ny fitantanam-bola hoe: inona no maha mety azy satria ny ben’ny tanàna tsy voatery ho manam-pahaizana be, tsy voatery ho gaboraraka anefa. Momba ny lanjan’ny ben’ny tanàna, dia tokony homena hasiny sy hajaina satria misy ihany koa ny karazana tsindry ataon’ny olona sasany ny ben’ny tanàna, indrindra fa ny kaominina manakaiky Renivohitra. Ahitana taratra izany ny resaka raharaha ara-tany izay hisian’ny fifanolanana betsaka, raha ny nambarany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap