ao anatin’izany mijery ny fahefa-mividin’ny tsirairay, hoy ny filoha tale jeneraly teo aloha sady tomponandraikitry ny serasera, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Isan’ny antony nametrahanay ny laham-bika any amin’iny faritr’i Moramanga iny izany amin’izao fotoana izao. Betsaka ireo mila fitsaboana nefa tsy ampy ny enti-manany. Antony namerana ny saram-pitsaboana tsy hihoatra ny 30.000 na 40.000 Ariary izany. Mametraka ny politikan’ny sakafo koa izahay ankoatran’izay satria io sakafo io dia ny aretina rehetra toy ny «rhumatisme», fiakaran’ny tosidrà, aretin’andoha sy ny rehetra dia tena ilana azy daholo. Misy sakafo haririana fotsiny eto Madagasikara nefa ao ny mampiakatra hery fiarovana, ny manala makafoka, ny maha tanora lalandava sy ny rehetra. Any Mananjary sy Manakara izao aririana fotsiny ny voasary. Mila jerena hoe inona no sakafo ahitana proteine, vitamine, kalsioma, ny mamerina kaloria sy ny rehetra. Manomboka izao koa izany na mpatory an-dalana aza ato dia afaka misitraka fitsaboana. Iarahana amin’ireo siantifika ato ny fitehirizana na «conservation»-n’ny otrikaina anatin’ireo zava-maniry sy sakafo na eo aza ny resaka fahasimban’ny tontolo iainana. Miasa indrindra ao anatin’izany ny herin’ny tantely izay teny mitahiry ny hakanto sy hasin’ny tontolo iainana. Mitahiry sy manambatra ny tsiambaratelon’ny zava-maniry tsirairay avy ny tantely. Isan’ireo tsiambaratelo, ohatra, ny hoe misy zava-maniry toy ny voaroy hazo izao izay tsy azonao alaina amin’ny atoandro raha tsy tianao ho very ny heriny fa mila mifoha amin’ny 3 na 4 maraina ianao, hoy hatrany ny FITRAMA.
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto