airtel

Actualités

03-oct-2024

Fitondrana Rajoelina

Babo hatrany amin’ny tetikasan’olona noharatsiany

Sample post image

Na mbola afaka 50 na 100 taona aza isika tsy handroso mihitsy raha mbola hiankin-doha amin’ny fanampiana avy any ivelany,

03-oct-2024

hoy ny filohan’ny tetezamita nanomboka ny taona 2009, izay ankehitriny efa lasa filoham-pirenena, Andry Rajoelina. 10 taona, 15 taona aty aoriana anefa dia ireny niaraha-nahita nitotototo ireny hatrany niezaka nifanaraka amin’ireo firenen-tsamihafa, na lehibe io na kely, sy ireo sehatra iraisampirenena samihafa ihany koa hikatsaka famatsiam-bola sy fanampiana. Rehefa mahazo izany dia mirehareha fatratra amin’ny haino vaky jery avy eo hoe io fa atokisan’ny mpamatsy vola isika, io fa nahazo fanampiana. Nolavin’izao fitondrana izao tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ihany koa ny tetikasa fanavaozana ny rafi-panabeazana tamin’ny andron’ny fitondrana HVM na ilay antsoina hoe PSE, izany hoe «Plan sectoriel de l’éducation» natolotry ny minisitra tamin’izany, Paul Rabary, ary nolazaina mihitsy moa fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy kanefa ankehitriny dia io fa miha miroso amin’ny fanatanterahana azy ny minisitra vaovao, Pr Marie Michelle Sahondrarimalala. Efa tsy hoe sokajy A, C, D na série A, C, D intsony no resaka amin’izao fotoana izao fa efa lasa misy an’izany hoe série OSE sy S ary L izany koa. Io indray izany izao omaly fa mikasa ny hanamboatra toha-drano hafa hanangonan-drano manamorona an’Andekaleka ny tale jeneralin’ny JIRAMA, Ron Weiss. Io ilay antsoina ihany koa hoe DAM, izay namotsifotsian’ny filoham-pirenena ankehitriny ny kandida ho filoham-pirenena hafa nifaninana taminy ny taona 2018 hoe inona izany? Mba tiako ho jerena ao anaty rakibolana ny dikan’izany fa izao aho vao naheno an’izany! Mikasa hanao azy izany izao io ny JIRAMA, izay tsiahivina hatrany hoe rantsana iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo ato anatin’ity fitondrana Rajoelina ity. Fehiny, Babo hatrany amin’ny tetikasan’olona noharatsiany ilay fitondrana ka inona ary, noho izany, no antony manakana azy tsy hikarakara fikaonan-doha hanangonana izay hevitry ny hafa izay mba hahafahana tena mampandroso amin’izay ity firenentsika ity?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap