Kitsapatsapa hatrany fa tsy misy sori-dàlana mazava hitondrana firenena intsony, ka ny “selfie” sy ny fampalazana tena no betsaka. Tsy hampandroso an’I Madagasikara na amin’ny 2060 aza ny fitrosana amin’ny mpamatsy vola mahazatra, hoy izy tamin’ny Propagandy. Avy eo mirehareha mampiseho sary fa mahatoky azy, hono, ny mpamatsy vola, ary vonona hanampy amin’ny ezaka sy ny programa entiny. Kepoka ary tsy misy atokona ny Fanjakana ankehitriny, ka lasa mivoaka miditra tahaka ny lelon-jaza hatrany satria ilay PEM aza herintaona aty alohan’ny hahataperan’ny fe-potoam-piasana vao hampahafantarina, hitadiavana mpamatsy sy mampiasa vola. Hahavita inona ny 300 na 400 tapitrisa dolara hitsitaitaika hatramin’ny 2028? Na ny an’ny Vondrona Eoropeanina 235 tapitrisa dolara ao anatin’ny 4 taona izay efa misy làlany hafa? Ny firenen-kafa mahazo amina miliara dolara, ny antsika fitserana,… Hanamboatra “autoroute” 2,5 miliara dolara ka asa hoe: aiza ho aiza izao ny tohin’ilay dia tany Egypte? Misy vola ve? Ny famelomana ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka voasoratra fa mitentina 1,219 miliara dolara kanefa 5 tapitrisa dolara nolaziana hanarenana fiaramanidina roa an’ny Air Madagascar aza toa nanjavona? Ny fampiroboroboana ny resaka seranantsambo sy fitaterana an-dranomasina 1,178 miliara dolara ka aiza no hahita? Raha ny efa mandeha ao Toamasina aloha dia fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana fa ny Fanjakana Rajaonarimampianina no nahita làlana tamin’ny Japonais. Mby aiza ilay filazana fa ny orinasa arabo Al Jaber no hanao ny Tanamasoandro?
MIHA MILENTIKA NY FIRENENA
Ankoatra ny vahoaka Malagasy izay nofitahina, heverina ho pahana ihany koa ny vahiny. Vao miresaka FMI izany, dia isan’ny tompon’ny aty vilany ao ny Vondrona Eoropeanina, izay manao tsindro-paingotra manokana matetika amin’ny lafiny fitantanana, demokrasia, ady amin’ny kolikoly,… Raha ampitahaina amin’I Kaomoro izay nolazaina fa hampindramintsika vola, ny 1franc amin’ny volany mitovy amin’ny 8,6Ar, izany hoe vereziny izany isika. Lazaina fa tompondakan’ny indostria, kanefa ny Sampant-draharaha Iraisam-pirenena momba ny Fananan’asa milaza fa ny asa 9 amin’ny 10 eto Madagasikara dia amin’ny sehatry tsy ara-dalàna na “informel”. Ny fiakaran’ny vidim-piainana hatrany amin’ny 9,8% raha ny ara-taratasy izay efa tena ambony, fa ny zava-misy aza mbola ambony lavitra noho izany. Ny fikorontanam-pitantanana, ady an-trano, kolikoly, afera maizina,… no miharihary, izay toa manamarina ilay nolazain’Atoa Jean Louis Rakotoamboa hoe: “Plan pour l’Emergence des Mafias” no misy eto.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa