airtel

Actualités

13-mars-2026

Fitotonganan’ny vidim-bary

Mitroatra ny tantsaha any Alaotra,

Sample post image

nanome 48ora ho an’ny Fanjakana

13-mars-2026

Niroso tamin’ny hetsika efa nampahafantariny mialoha ireo tantsaha mpamboly vary ao amin’ny Faritra Alaotra. Tsy mbola nisy toy izao ny fitotongan’ny vidim-bary: 1000 Ariary isa-kilao ny vidiny, raha mitombo tsy voafehy kosa ny vidin’ny zezika sy ny masomboly, hoy ireo tantsaha. Maro amin’ireo tantsaha no tsy hahatafaverina intsony ny vola nindramina tamin’ny banky. Midika izany fa ho rava ny fiainan’ny fianakaviana maro izay miankina amin’ny fambolena vary. Ny fanapahan-kevitry ny fitondrana hanala ny hetra amin’ny vary hafarana avy any ivelany dia heverinay tantsaha ho famonoana ny mpamokatra eto an-toerana sy famelomana ireo KARANA mpanafatra vary ka ny tantsaha Malagasy indray no voahitsakitsaka, hoy izy ireo. Voasakana tanteraka noho izany ny lalam-pirenena faha-44 sy faha-3A omaly. Nanome 48 ora ny fitondram-panjakana hamaha ny olana ireo tantsaha, niantso ireo olom-boafidy tsy naharenesam-peo mba handray andraikitra izy ireo, mitaky fanatsaharana ny fanafarana vary, milaza hiroso amin’ny dingana mafimafy ny tantsaha raha tsy misy ny vahaolana. Na izany na tsy izany, ny lalànan’ny tolotra sy ny tinady moa no tena mitondra azy io, saingy mahatsiaro ho marary ny tantsaha na izany aza. Betsaka ireo pitsopitsony mila jerena, toy ny mason-karenan’ny famokarana, ny vidin’ny ambioka, zezika,… Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny ezaka vonjimaika nataon’ny Fanjakana, izay niroso tamin’ny dingana fividianana ny vary mivantana amin’ny vidiny 1700Ar sy 1800Ar amin’ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ny Orinasam-panjakana SPM (State Procurement of Madagascar) izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, natomboka tany Ampafarafaravola. Asa nanao ahoana ny fitohizany satria iaraha-mahalala ihany koa ny fahabangan-toeran’ny governemanta amin’izao, ka fampandehanan-draharaha madinika no mety mandeha.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap