airtel

Actualités

01-juil-2021

Actualités

Fitrandrahana elodrano eto Madagasikara Mampiasa zaza tsy ampy taona marobe

Sample post image

Efa nanomboka tamin’ny taona 2007 no niroso tamin’ny fitrandrahana ny elodrano isika eto Madagasikara. Any amin’iny faritra Anosy sy Androy iny no tena ahitana izany izay ahitana zaza tsy ampy taona

01-juil-2021

 

 maro misehatra amin’izany. Tsy misy mianatra intsony ireo ankizy ireo fa tena mivelona amin’io asa io mihitsy mba hamelomany ny tenany na koa hanohanany ireo Ray aman-dReniny. Manoloana io tranga io dia nisy ny atrikasa notanterahin’ny Ministeran’ny angovo sy ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny asa na ny OIT andro vitsivitsy lasa izay nentina nandinihina izany. Tanjon’ny roa tonta ny hahafahana mamantatra ny isan’ireo zaza tsy ampy taona misehatra amin’ity asa ity ka hahafahana mamerina azy ireny eny anivon’ny fiaraha-monina indray toy ireo ankizy mitovy taona aminy. Eo ihany koa ny hanalana azy ireny tanteraka amin’ity asa fitrandrahana elodrano ity. Ho fantatra tsy ho ela moa ny vokatr’ity atrikasa ity.

Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap