airtel

Actualités

02-mars-2026

FITSARANA AMBONY

Mpandrefy tany matihanina 30 navoaka ofisialy

Sample post image

Lanonam-pitsarana no nandraisana ny

02-mars-2026

fianianan'ireo Mpandrefy tany mpahay raha (Géomètre expert) ny faran'ny herinandro teo. Nanao fianianana teny aminin'ny Fitsarana Ambony, Anosy izy ireo, andiany faha-XIV. Miisa 30 mianadahy mianaka ity andiany ity ka ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Raharahan-tany no Ray mpiahy azy ireo. RAITRA no anarana nisalorany, izay nisoloin’ny Talen'ny Kabinetra tena.Nanomboka ny taona 2011 no nisy ny holafitry ny mpandrefy tany mpahay raha (Ordre Des Géomètres Expert de Madagascar na OGEM), ary izy ireo no nanakinan'ny fanjakana ny fiarovana ny mpiray tanindrazana eo amin'ny taniny amin'ny alalan'ny asa fandrefesan-tany. Hisehatra eo anivon'ny tontolon'ny fandrefesan-tany ireto injiniera izay nivaoka avy eny amin'ny Oniversite an' Antananarivo, Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona (ESPA) ireto, ary afaka manatanteraka ny asa fandrefesan-tany amin'ny sehatra miankina sy tsy miankina manerana ny Nosy. Marihina fa voalazan'ny lalàna fa tsy maintsy atao mialohan'ny fanaovana ny asa ny fianianana ary ankehitriny dia efa 389 ireo mpandrefy tany mpahay raha nahavita izany fianianana izany.
Pati
Légende : Izy 30 mianadahy mianaka navoaka.!
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap