airtel

Actualités

15-juin-2023

Actualités

Fitsarana Anosy Mpijirika 2 no tratra

Sample post image

Nanomboka ny alatsinainy 12 sy ny talata 13 jona 2023 dia mpijirika miisa 2 sahady no tratra, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana omaly.

15-juin-2023

Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanadiovana ny tontolon’ny fitsarana moa ity atao ity ; maka vola amin'ny manan-draharaha eo anivon'ny fitsarana izy ireo ary milaza fa mahavita mamoaka gadra any am-ponja, hoy ny fanazavana. Betsaka ny efa lasibatra tamin'izany ka nanao velam-pandrika nisamborana ireo mpijirika ireo ny filohan'ny fitsarana, ny tonia mpampanoa lalàna sy ny lehiben'ny mpiraki-draharaha eo anivon'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo. Fiaraha-miasa tamin'ny mpitandro ny filaminana no nahazoam-bokatra, noho ny fampiharana ny paikady napetraky ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, ny minisitry ny fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, mba hamerenana indray ny fahatokisan'ny vahoaka ny tontolon'ny fitsarana eto Madagasikara, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Mipetraka ihany anefa etsy ankilany ny fanontaniana hoe vao izao ve moa izany no nisy izany mpijirika izany teo anivon’ny fitsarana? Tena azo lazaina hoe sahady ve raha mpijirika miisa 2 no tratra ao anatin’ny 2 andro, raha izay fitarainana efa heno an-taonany maro hita eny amin’ny tambazotran-tserasera sy haino aman-jery samihafa izay?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap