airtel

Actualités

08-juin-2022

Actualités

Fitsarana miaramila Adidy ho an’ny tanindrazana

Sample post image

Adidy amin’ny maha-olom-pirenena, indrindra fa ho an’ireo zatovolahy feno taona ny fitsarana miaramila. Toraka izany koa ny zatovovavy.

08-juin-2022

Betsaka anefa ireo mbola mialangalana tsy mety manao izany eto amintsika. Misy ireo matahotra raha misy koa ireo kamo fotsiny tsotra izao. Nanambara ary ny talen'ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry omaly fa hisy ny fepetra horaisina mikasika ireny olona ireny. Sazy herintaona an-tranomaizina omena azy ireny manomboka izao. Miantso ireo zatovo lahy sy vavy 19 taona ka hatramin’ny 31 taona araka izany ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena mba hamonjy ireo toerana voatondro hanaovana ny fitsarana miaramila araka ny teti-andro napetraka eny amin’ireo biraon’ny distrika isan-tsokajiny. Kara-panondrom-pirenana ihany moa no ilaina mandritra ny fitsarana miaramila izay hahazoana karatra maitso maimaim-poana. Ny 31 jolay ka hatramin'ny 31 oktobra ho avy izao no hanatanterahana izany manerana ny tanin’ny Repoblika raha tsiahivina.


Tsy dia ilay sazy loatra no hoe inona fa ny fahatsapan-tenan’ny isam-batan’olona no tena zava-dehibe.Adidy ho an’ny firenena sy ny tanindrazana ny fitsarana miaramila ary hahazoana fampianarana tena ilaina eo amin’ny fiainana.Fotoana io hahatsapana fa olom-pirenena ny tena, tsy velombelom-poana eto fa manana adidy aman’andraikitra ary mifanotrona sy mifanampy amin’ny mpiara-belona.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap