Lehilahy miisa efatra indray no nosamborin'ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’ny Boriborintany voalohany Analakely afak’omaly 03 mey tokony ho tamin'ny 09 ora alina teny Ambodifilao. Raha araka ny fantatra dia nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika izy ireo. Raha araka ny angom-baovao nataon'ny Polisy miasa ao Analakely dia misy lehilahy roa mivarotra "Cristal" eny Ambodifilao. Nanao ny vela-pandrika ny Polisy ka tratra teo am-pivarotana izany izy roalahy ireo. Mbola tratra teny amin'izy ireo ihany koa io zava-mahadomelina mahery vaika io izay nataony anatina mofo sy sachet plastika. Noentina avy hatrany teny amin'ny Kaomisaria ireto farany nanaovana fanadihadiana ka tamin'ny fakàna am-bavany azy ireo no nanononany ny namany iray Mpamatsy azy io "cristal" io. Nanomana paik'ady ny Polisy ka nomena fotoana ilay mpamongady . Tratra teny Faravohitra tao amina trano fandraisam-bahiny iray io namany io ary tratra niaraka taminy tao ihany koa ny fonosana "Cristal" maromaro miaraka amin'ireo fitaovana fampiasan'izy ireo hihinana an'io zava-mahadomelina io. Mbola niaraka tamin'ny namany iray izy tao anatin'io trano io. Ny polisin’ny SUT Tsaralalana moa no mandray an-tanana ny raharaha.
Pati
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny