Mitaky ny fanamboarana izany dia ny eny Vontovorona sy ny “Bloc amical” izahay, hoy izy ireo nanohy ny fanambarany teny Ankatso. Mitaky ny famahana ny olan’ny rano ety amin’ny oniversiten’Ankatso koa izahay. Tsy ampy ary tsy tonga amin’ny efitranon’ny mpianatra tokony hisitraka izany intsony ny rano tokony ho azony. Noho ny fisian’ny taom-pianarana nifanontona dia betsaka ireo mpianatra vaovao, indrindra, avy any amin’ny faritany, tsy nahazo trano na “cité” nahafahany nipetraka. Takianay mpianatra anatin’ny faritra 23 eto Antananarivo ny hahazoana ny “cité” vaovao R+1 manara-penitra izay efa nampanantenain’ny minisitra ny tomponandraikitra ho an’izany trano izany ny martsa 2021 nefa mbola tsy azo mandrak’ity ny anio. Manome 10 andro izahay hamahana izay olana mikasika ny trano izay. Raha tsy misy fandraisana andraikitra moa afaka 10 andro dia ho alainay ny trano ary manentana sahady ireo izay nanao fangatahana hahazo ny trano ho avy eto afaka 10 andro raha tsy misy ny fandraisana andraikitra satria ho anareo no nanaovana izao “cité” vaovao izao. Manodidina ny 3000 isa any ny fangatahana raha jerena ny isam-paritra. Ny CROU-A sy ny oniversite moa no mandamina hoe ireto avy no tokony hahazo. Taom-pianarana 2022-2023 no mandeha izao fa araka ny fanambaran’ny SECES farany teo dia izay te hampianatra mampianatra, izay tsy mampianatra dia miandry ny mpianany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.
Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka
Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.
Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny