airtel

Actualités

11-juin-2025

FOARABEN’AMBOHIDRAPETO

Entina hanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha

Sample post image

Raikitra ny Foaraben’Ambohidrapeto andiany voalohany,

11-juin-2025

karakarain’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano. Ny 19 ka hatramin’ny 26 Jona ho avy izao no hanatontosana izany eny amin’ny Fokontany Antsahamasina izay ahitana trano eva hatrany amin’ny 130 isa, misy ireo mpandray anjara. Ankoatra ny fampirantiana ireo vokatry ny tany mampahalaza ny tananan’Itaosy iray manontolo miaraka amin’ny akoho amam-borona dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena ny hetsika raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Andriamanantena Mihary Andriantsilavo. Tsy natokana ho an’ny mponin’Ambohidrapeto irery araka izany ity foara ity fa afaka mandray anjara avokoa ny kaominina rehetra manodidina. Hiragasy goavambe no hanokafana azy amin’ny andro voalohany. Hitohy amin’ny fampilalaovana ny ankizy isan’andro ny hetsika, raha hisy ihany koa ny podium hotontosaina ny datin’ny 25 Jona ho avy izao. Tsiahivina moa fa ho avy hanatevina sy handray anjara amin’ity foara ity ihany koa ireo mpanao asa tanana eny Itaosy izay havanana amin’ny fanamboarana tsihy sy harona. Tanjona ny hahitan’izy ireo lalam-barotra vaovao indray hanatsarany ny fari-piainany raha tsy latsa-danja amin’izany ny fikarohana teknika vaovao manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.
Pati
Legende : Andriamanantena Mihary Andrantsilavo, Ben’ny tananan’ny kaominina Ambohidrapeto !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap