karakarain’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano. Ny 19 ka hatramin’ny 26 Jona ho avy izao no hanatontosana izany eny amin’ny Fokontany Antsahamasina izay ahitana trano eva hatrany amin’ny 130 isa, misy ireo mpandray anjara. Ankoatra ny fampirantiana ireo vokatry ny tany mampahalaza ny tananan’Itaosy iray manontolo miaraka amin’ny akoho amam-borona dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena ny hetsika raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Andriamanantena Mihary Andriantsilavo. Tsy natokana ho an’ny mponin’Ambohidrapeto irery araka izany ity foara ity fa afaka mandray anjara avokoa ny kaominina rehetra manodidina. Hiragasy goavambe no hanokafana azy amin’ny andro voalohany. Hitohy amin’ny fampilalaovana ny ankizy isan’andro ny hetsika, raha hisy ihany koa ny podium hotontosaina ny datin’ny 25 Jona ho avy izao. Tsiahivina moa fa ho avy hanatevina sy handray anjara amin’ity foara ity ihany koa ireo mpanao asa tanana eny Itaosy izay havanana amin’ny fanamboarana tsihy sy harona. Tanjona ny hahitan’izy ireo lalam-barotra vaovao indray hanatsarany ny fari-piainany raha tsy latsa-danja amin’izany ny fikarohana teknika vaovao manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro.
Pati
Legende : Andriamanantena Mihary Andrantsilavo, Ben’ny tananan’ny kaominina Ambohidrapeto !
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira