Voalaza fa ny Fanjakana no nanao fambolena niaraka tamin’ny OFMATA sy ny vahiny avy any ivelany. Nifarahan’ireo Raiamandry razambe tamin’izany sy ny fokonolona mpampiasa ny tany fa rehefa mijanona ny OFMATA dia miverina amin’izy ireo ny tany. Nanjary lasa voasoratra tamin’ny Tale Jeneralin’ny OFMATA antsoina Rakotonirina izay efa nodimandry anefa ny tany, hoy iny fanazavana. Namidiny tamin’ny sinoa sy karana avy eo. “Tsy fantatra anefa izay ara-dalàna sy tsy ara-dalàna tamin’izay, fa nampigadra azy ny nivarotany tany tamin’ny sinoa. Rehefa nitranga izay dia tsy nikitika ny tany ambiny intsony izy”, hoy Atoa Robert Randrianantoandro mponina eny an-toerana. Io no volen’ny fokonolona sy ampiasain’ny kaominina amin’izao, ary misy ireo fotodrafitrasa maromaro, toy ny kianja, misy hatramin’ny famatsian-drano, trano eo vao atao, ankoatra ny fambolena. Efa maty izy vao misy misy olona milaza fa nividy ny tany taminy. Efa hatrany amin’ny taona 1983 anefa no nampiasa ny tany ireo fokonolona sy ny kaominina, ny taona 2000 fony mbola tao anatin’ny Kaominina Sabotsy Namehana an’Anosiavaratra, nisy ny didim-panjakana izay nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana nilaza fa miverina ho tanim-panjakana ny tany. Ny Minisitra Ampy Augustin Portosy no tonga teto tamin’izany, nametraka ny Toby Avotra, namboly teo amin’ny ilany, ary izy no nahita ny fanajariana sy fambolen’ny tantsaha, ka namerina ny tany ho tanim-panjakana, hoy ny Filoham-pokontanin’Isahafa teo aloha Rakotondrasoa Jean De Dieu. Amin’ny maha tanim-panjakana araka ilay didim-panjakana tamin’ny 2000, dia nanao fangatahana ny tany fokonolona. “Efa vita isaky ny ambaratongany ny fangatahana, ary miandry ny fivoahan’ny karatany faobe. Tao anatin’izany, tsy nisy mihitsy ny filazana fa foana na “abrogé” ilay didim-panjakana, tany amin’ny dingana rehetra tsy nisy olana, fa ara-dalàna tsara”, hoy Atoa Robert Randrianantoandro. Misy manao an-ditra sy miditra an-tsehatra manao amboletra sy mandrahona fa hogadraina anefa, hoy izy ireo, ka manohitra am-pilaminana ny ambaran’izy ireo fa tsy rariny ny fokonolona. Nanao fitoriana fanohanana ny mety ho firosoana amin’ny fidirana an-keriny handrefy sy hamaritra ny tany, ary maneho fa fa amin’izy ireo dia tsy mitombina ary ahiana ho misy hosoka ny taratasy sy pitsopitsony hoentin’ny ankilany maka ny tany. Lavinay marin-drano ny filazany fa izy no nividy ny tany nohajarian’ny fokonolona, ary aminay dia sandoka ny ankamaroan’ny taratasy entiny mampihorohoro ny fokonolona, hoy izy ireo. Nitondra vadin-tany nanamarina ny zava-misy moa ny fokonolona ny andron’ny omaly. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo milaza fa tompony ny andron’ny omaly, nijoro tsy nanaiky ny fikasana hamaritra ny tany ny fokonolona.
Toky R
Mahatratra 305 miliara Ar ny faktioran-jiro sy rano tsy voaloan’ny Fanjakana amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Ny MPEF (Mémorandum de Politique Économique et Financière)
Efa niverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy fanamboarana pasipaoro eo anivon'ny polisim-pirenena rehefa
Nous sommes 8 milliards, stop ou encore” na hoe: “8 miliara isika izao, hoferana sa hotohizana ihany ? ”,
Nivoaka tamin’ny gazety an-tsoratra iray teto an-drenivohitra andro vitsy lasa izay fa namidin’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo ny ampahan’ny tanin’ny CEG ao an-toerana.