airtel

Actualités

20-sept-2021

Actualités

Fonjan’Imerintsiatosika Manara-penitra lavitra noho ny oniversitem-panjakana

Sample post image

Sao dia tokony ampifanakalozana ny « cité universitaire » sy ny fonja manara-penitra, hoy ny fanontanian’ny mpampianatra mpikaroka iray nahita an-tsary ny ivelany sy atin’ny fonja

20-sept-2021

 manara-penitra vaovao ao Imerintsiatosika notokanana ny faran’ny herinandro teo? Sa tsy fanitsahana zon'olombelona ny miara-miaina amin’ny voalavo, « branchement électrique sauvage » miteraka « accident » sy ny hafa rehetra iainana eny amin’ny oniversite, hoy izy? Manara-penitra lavitra noho ny oniversitem-panjakana, araka izany, ny fahitan’ireo mpisehatra eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana ity fonjabe na “prison de haute sécurité” eny Imerintsiatosika ity. Araka ny fanazavana mikasika ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso fotsiny, ohatra, dia manahirana eny an-toerana hatramin’ny mitady rano hanondrahana toeram-pidiovana sy fanaovana maloto. Tsy mandeha ny rano anaty laboratoara. Fahasahiranana hatramin’ny fahazoana tsaoka hanoratana eny amin’ny fafana. Raha mijery ilay fonja kosa anefa dia tsikaritra fa misy izay ilain’izay sanatriavina ho voafonja ao rehetra ity toerana eny Imerintsiatosika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap