Ny antoko Fitambolagniela tarihin’ny Pr Dieudonné Michel Razafindrandriatsimaniry tamin’ny fitsanganany ho antoko politika, no nanangana fampiofanana « Formation politique » na « FORMAPOL » tany amin’ny taona 2013-2014, izay efa nisy andiany miisa 8 hatramin’ny taona. Hanao fikaonan-doha izy ireo amin’ny 14 febroary hiantsoana an’ireo mpanabe sy ireo andiany rehetra nandalo izay afaka. Hanao karazana tombana ka iantsoana ireo mialohan’ny hirosoana amin’ny andiany faha-9. Hita sy tsapa fa maro ny tanora te hanao politika indraindray lasa mivaona ilay izy, ka izay no antom-pisiany. Nampianatra ny siansa politika nolaroina fahaiza-manao ankampobeny toy ny leadership, management, ekonomia, finance, géopolitique,… Nezahana tsy nasiana saram-piofanana, fialana amin’ny fisainana politika baikoan’ny foto-bola, tsy hanana ny anjara masoandrony ny tanora raha mbola foto-bola no handresen-dahatra hisafidianana olona, fa tsy ny foto-kevitra sy vina, hoy ity manam-pahaizana ity. 25 hatramin’ny 30 eo isaky ny andiany teo, ka ireo tanora ao dia efa saika nisandrahaka amin’ny andraikitra samihafa, ka misy ny mpanao politika, misy depiote, misy ben’ny tanàna, misy ny mpandraharaha,… Tsy hoe hanofana ho mpanao politika mazava ho azy ny fiofanana fa hahalala ny politika, ary mirona kokoa amin’ny teknika sy ny fahaiza-manao, fahaiza-mitantana,… Tombana mialohan’ny hirosoana amin’ny andiany faha-9 no atao, fa eo ihany koa ny fanomanana ny fandraisana anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena satria hitondra fanatsarana eto amin’ny Firenena no isan’ny antony nanaovana ny fampiofanana. Hijery ny tamberiny hoe misy ilàna azy ihany ve ilay fampiofanana sa tsia ? Hijery ny teboka miabo sy lesoka mila fanatsarana taorian’ny fampiharana azy teny amin’ny sehatr’asa samihafa, hoy hatrany ny Pr Dieudonné Michel Razafindrandriatsimaniry.
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona