Niteraka resabe ilay raharaha famoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST (Interdiction de Sortie du Territoire) ho an’olona miisa 13 navoakan’ny Minisiteran’ny Atitany ny 16 martsa lasa teo izay nahitana mpandraharaha vahiny matanjaka amin’ny sehatra stratejika eto amin’ny tany sy ny Firenena. Nanaitra ny fivoahan’ny fanafoanana nataon’ny teo anivon’ny Cour d’apple ny ampitson’io dia ny 17 martsa, ka olona 2 sisa no nanan-kery ilay IST. Betsaka ny fanontaniana eo anatrehan’io hoe : nisy ve ny fahadisoana ara-panjakana ka olona tena tsy manan-tsiny tokoa no namoahana IST ? Nisy ny don-tandroka nahazo ny Fanjakana na fifanarahana goavana nifanaovana tamin’ireo vahiny mba hanafoanana an’iny ? Amin’ny lafiny iray, manana toerana stratejika eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ireo mpandraharaha goavana vahiny ireo indrindra fa ny karana raha tsorina. Anisany ny angovo, fifandraisan-davitra, solika,… Misy ny endrika don-tandroka samihafa mety mandeha noho ny fifehezana sehatra maro saingy rahoviana isika vao ho tafavoaka amin’izany ? Tsy afaka tena mametraka fitsipi-dalao mazava ve ny Fanjakana eo anetrah’ireo toe-java-misy ahiana ho tafiditry ny heloka ara-toekarena, fanararaotana vahoaka, fanjakazakana,… Ekena ny ezaka fa mbola betsaka ny sehatra tsy mety voafehy sy hanaovan’ny vahiny izay danin’ny kibony, saingy toa tsy tena afaka manenjana sy mandray fanapahan-kevitra hentitra ny Fanjakana na mandray fa tsy tena mihatra. Matetika toa lasa ny mpandraharaha Malagasy ihany no hita sy henjehina ireo ambara fa kolikoly, ampihimamba, fanararaotana, halatra,… fa ny vahiny malalaka sy manao izay danin’ny kibony. Nisy ohatra ny dingana lehibe nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny resaka fifandraisan-davitra saingy hatreto mbola tsy tena mahafa-po ny Malagasy. Betsaka ny mety ahiahy amin’ny mety fisiana halatra mivantana na ankolaka, miezaka manenjana ny Fanjakana, ary nanapa-kevitra ny hanalalaka ny fandraharahana ara-pifandraisan-davitra amin’ny alalan’ny fisokafana amin’ny mpandraharaha hafa,… Tahaka izany ihany koa ny resaka angovo izay ambaran’ny Fanjakana fa hotapahana ireo fifanarahana mamono saingy hatreto mbola sahirana isika noho ny fiankinan-doha hany ka manao izay danin’ny kibony ireo vahiny, afaka manao don-tandroka ara-politika sy ara-toekarena ? Asa rahoviana isika vao ho afaka amin’izany ? Tena vonona ny hanenjana amin’ny ara-drariny ve ny Fanjakana tarihin’ny Filoha Kolonely Randrianirina Michael ? Tsy midika fa fankahalana na fanenjehana befahatany ireo mpandraharaha sy orinasa vahiny izay manana toerana stratejika sy mampiasa Malagasy maro fa kosa fa tena mila fahasahiana hametraka fitsipika sy lamina ara-toekarena ara-drariny tsy mifanambaka. Mitaky finiavana sy fahasahiana lehibe avy amin’ny Fanjakana.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»