Isan’ireo nanatrika ny fotoam-pivavahana nitrotroana am-bavaka ny Iokoumene eo anivon’ny FFKM sady fitrotroana am-bavaka ny asan’ny FFKM mikasika ny fikaonandoham-pirenena teny Ilafy omaly ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha, Gerard Ramamimampionona. Isan’ny zava-dehibe tao, hoy izy, ny hoe fihaonamben’ny FFKM ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Napetraka am-pelantanan’Andriamanitra izany mba ho tanteraka araka ny sitrapon’Andriamanitra ny zavatra atao amin’ny fikaonandoham-pirenena. Tenin’ny soratra masina noraisina ny hoe «Indro avaoziko ny zava-drehetra!». Tsy hoe rafitra ihany izany fa ao ny toetsaina, ny fiainan’ny malagasy, ny zavatra rehetra. Nanamafy ny filoham-panjakàna fa mila miara-miasa ny rehetra. Nanome tolo-tanana hanomanana izao fihaonambe izao moa izy. Nanome toky ny fitondràna fa hanao izay tokony atao na eo aza ny mety ho tsy fahalavorariana. Nanamafy izy fa mila manantena ny rehetra na eo aza ny fahasahiranana ankehitriny mba ho araka ny sitrapon’Andriamanitra sy hitondra soa ho an’ny malagasy izao fikaonandoham-pirenena atao ankehitriny izao fa tsy ho sanatria fikendrena tombotsoa manokana atsy sy aroa. Raha mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra tokoa, miara-mientana, mifanolo-tanana, ahoana moa io no tsy tokony andeha? Mila tena ampiarahana amin’izay ny ezaka sy finoana no dikan’izany mba hifanaraka tsara amin’ny hevitr’Andriamanitra ihany koa, indrindra moa, fankalazàna ny fidinan’ny fanahy masina izao! Indraindray, mba tsy ilazàna hoe matetika, dia lasa mijanona mitokana ny vavaka fa ny zavatra ataontsika hafa mihitsy. Ao anatin’ny hoe «Mitomboa amin’ny fifankatiavana» ve isika izao, ohatra? Efa anatin’izany ve isika sa mbola mifankahala sy mifanakorontana na mifanenjika sy mifanilika? Tena ifonana ve ireo tsy mety sa mbola ho atao? Enga anie mba hirona miandalana amin’ny tena sitrapon’Andriamanitra ity fikaonandoha indray mitoraka ity, hoy hatrany izy!
J. Mirija
Mitaraina ho nataon'ny mpanao politika fitadiavan-tseza fotsiny
afaka mitory rehefa tapitra ny fivorianay ! »