airtel

Actualités

31-mars-2021

Actualités

Gérard Ramamimampionona “Misy fetra ny fahefana sy aina ka aleo maty mamela mamy”

Sample post image

Mbola miondrika am-panajana manoloana ny fahalasanan’ny filoham-pirenena teo aloha,

31-mars-2021

 

 

 Didier Ratsiraka, hoy ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy, Gérard Ramamimampionona. Maro ny zava-bitany ka araka ny tenin’ny soratra masina moa dia, izay no anjarany, hoy izy. Aoka ny asany hanaraka azy fa ny velona no hitambesarana adidy sy miara-tompon’andraikitra amin’ny fivoarana na tsia, fandrosoana na tsia an’ity Madagasikara ity. Isan’ny antsoantso foana rehefa misy raiamandreny lasa toy izao ny hoe fihavanana sy soatoavina Malagasy saingy mbola vonon-kiaina izany ve isika? Vonona hiaina fahamarinana, fifankatiavana marina, fombonana ve isika? Izany no anjara adidintsika velona mba tsy ho Madagasikara mihitsy no ho faty sy mahantra lava eto. Manam-petra ny olombelona, ny fahefana, ny aina. Inona no anjara lova ho apetratsika? Hoy aho hoe aleo Madagasikara mamiratra sy feno soa iombonan’ny rehetra. Anjarantsika no manohy ny tantaran’i Madagasikara mba ho amin’izany. Enga anie handry am-piadanana ireo filoham-pirenena miisa 3 efa lasa fa adidin’ireo 3 tavela kosa ny mampiombona ny firenena satria lasa lavitra loatra an’i Madagasikara ny Malagasy. Madagasikara izao manakarena saingy ny Malagasy mahantra ka aoka mba hisitraka ny harenan’ny Madagasikara ny Malagasy mba hiadanany. Adidin’ny rehetra io. Misy fetra ny fahefana sy aina ka aleo maty mamela mamy, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap