airtel

Actualités

08-janv-2024

Governoran’ny Faritra Boeny

« Efa in-droa natao famotorana momba ilay vary simba ny tenako »

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany i Mokhtar Salim Andriantomanga,

08-janv-2024

Governoran’ny Faritra Boeny manoloana ireo resaka miely mikasika azy momba ilay raharaha vary simba 50 kaontenera.
Nilaza izy fa “efa in-droa natao famotorana, ka ny iray tany Mahajanga, ny farany teo taty amin’ny PAC na ny fitsarana miady amin’ny kolikoly Antananarivo”. “Ka ny mba iangaviko antsika Malagasy, avelao ny Fitsarana hanao ny asany, ary mino aho fa hivoka ny marina rehetra satria maro no te ahafantatra ny marina, ka miandry ny didin'ny Fitsarana”, hoy i Mokhtar Salim Andriantomanga. Nilaza izy fa manameloka mafy ireo izay nikasa ny hampihinana ireo vary ireo raha nisy tokoa izany . Nitsotra ny goverinoran’i Boeny fa tena mahatsiaro mavesatra sy malahelo mizaka ny latsa sy ny fanosoram-potaka ho mamoaka ireo vary ireo isaky ny amin’ny 1ora maraina ; f’ angaha moa tsy misy “cahier d’évènement” ireo mpiambina an’io magasin SOTEMA taloha io ka avoahy eto ny soratra ao amin’io “cahier” io nilaza ny fivezivezenay tao, hoy izy. Matoa misy ny fanadihadiana natao tahaka izao dia anisan’ireo olona ahiahiana izany ny governoran’ny faritra Boeny mety ho voakasika mivantana na an-kolaka tamin’ilay raharaha famoahana an-tsokosoko vary efa lo. Samy miandry izay mety ho vokatry ny fanadihadiana sy ny ambaran’ny fitsarana ny rehetra, indrindra fa ny mponina ao Mahajanga satria ny azo antoka dia tsy maintsy olona lava tanana sy manana fahefana no mahavita mamoaka vary 50 kaontenera izany fa tsy olon-tsotra .

Nangonin’i RTT


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap