Anton’ny ny fitakian’izy ireo ny hanesorana amin’ny toerany an-dRtoa Randimbiarisoa Ramiakoliarisoa Mamonjisoa na “Mishou” no hahalalan’ny besinimaro azy. Mpanolontsaina voalohany eo anivon’ny Ambasadaoro Malagasy any Lafrantsa. Maro ny vesatra hiampangan’ireo mpiasa an’ity tompon’andraikitra ambony ity: Herisetra ara-tsaina tsy an-kijanona, fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona, fandrahonana amin’ny endriny samihafa, fanararaotam-pahefana sy fanivahivana, fandrahonana tsy miato amin’ny fampodiana ny mpiasa, fandrahonana tsy misy fiafarany sy fanapahana ny fifanarahana arak’asa ho an’ny mpiasa ECD, tsy fahafehezana ny asa sy tsy firaharahiana ny fitantanan-draharaham-panjakana, tsy fanarahan-dalàna amin’ny sata arak’asa, fipetrahana amin’ny fomba tsy ara-dalàna ao amin’ny toerana misy ny masoivoho,… Raha ny fahafantarana azy, nanomboka ny septambra 2019 no voatendry tamin’io andraikitra io I Mishou. Tsy vao sambany fa efa nisy fitarainana nataon’ireo mpiasan’ny masoivoho fa tany amin’ny volana may 2022 dia efa nisy taratasy nalefa tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Tamin’izany no efa nisy ny fiampangana azy ho tsy manaja ny lehibe ara-pitantanan-draharaham-panjakana dia ny Ambasadaoro sy ny Minisitry ny raharaham-bahiny, fa ny Filoham-pirenena ihany no fantany. Efa tamin’izany no nisian’ny anjomara fa hoe mampiasa ny rihana faha-7 ao amin’ny masoivoho ho toeram-ponenana ny tenany. Ity tompon’andraikitra ity ihany koa no voalaza fa mpitantana ny orinasa iray antsoina hoe: T…. izay hany “agence de voyage” nahazo tompon-dahiny tamin’ny fikatonan’ny sisin-tany noho ny ampihimamba tamin’ny famandrian-toerana mikasika ny tapakilan’ireo mpandeha tamin’ny sidina fampodiana, hoy ny ampamoaka efa nandeha.
MIAMPITA RANOMASINA NY TSY FAHAIZA-MITANTANA ?
Na teo aza izany rehetra izany, tsy mbola nisy setriny sy tsy azo hontsonina ity tompon’andraikitra matoa io mifoha io indray ny fitakiana. Mety manana ny fahaiza-manaony ilay tompon’andraikitra voatonontonona, ary mety hanana ny ambarany, fa matoa aloha tonga amin’izao dia ao raha! Ny Fitondram-panjakana no manana ny fahefana feno hanendry na hanala tompon’andraikitra ambony tahaka itony, ka matoa tsy mihontsona hatreto, dia ny fitondrana no miaro azy, ary toa ny maha akaiky ny filoha azy no ampiasainy. Efa hifandovana ve izany ilay hoe: izahay aloha izao no eto? Eto an-toerana, maro ny endrika tsy fanjariam-pitantanana sy tsy fahaiza-mitantana, miampy fanjakazakana amin’ny endriny maro. Efa tena miampita ranomasina mihitsy izany ankehitriny ny tsy fahaiza-mitantana sy fanjakazakana? Miteraka fahafaham-baraka ho an’ny firenentsika ny tahaka izany, ka anjaran’ny fitondram-panjakana ny mandamina ny raharaha haingana. Raharaha stratejika be ihany koa ny resaka diplaomasia ary mety hiteraka olana be raha hikatso ny masoivohontsika any amin’ny raharaha sy taratasim-panjakana samihafa na ho an’ny Fanjakana na ho an’ny olon-tsotra mila azy.
Toky R
Olona miisa roa no nohelolina 7 taona gadra an-tranomaizina sy asa an-terivozona miampy lamandy 10 miliara Ar avy
Noraisin'ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 31 mey 2023 ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin'ny Minisiteran'ny sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA
Tsy hanavahana sokajin-taona marina ny fitiavam-bola. Tsy hitsitsian’ny sasany aina sy voninahitra izany na
Ny aretin’ny homamiadana no voka-dratsy voalohany ateraky ny fifohana sigara eny anivon’ny fiaraha-monina na ho an’ny tanora izany na ho an’ny olon-dehibe.