Hitodika kokoa anaty fambolena, indrindra, fiompiana izahay anatin’izany, hoy izy. Fambolena voanjo sy katsaka no tanjona. Ezahana ny hiala amin’ny resaka boriboritany fahahefatra sy Ankazobe fa hanao izany any amin’ny faritra Arivonimamo sy Analavory. Efa fantatra ny fifanenjehana sy fifampihantsiana lava. Ireo fitaovana nentinay nanamboarana ny kianjan’Anosizato no ho entinay miaraka amin’ireo tanora ary tena tanora no ho entinay mandray anjara betsaka amin’izany fambolena izany. Voanjo satria iarahantsika mahalala ny fiakatry ny vidina menaka avy any ivelany. Ny mena-boanjo eto Madagasikara anefa dia tena mandray andraikitra lehibe anaty fahasalamana. Azo omena ny biby fiompy ny faikany. Ny katsaka indray sady azo hanina no afaka omena ireo biby fiompy. Tanjona, noho izany, ny hananganana asa anaty fotoana fohy eo amin’ny resaka fiompiana sy fihariana mahakasika ny menaka. Manomboka rahampitso (TTF: anio) dia hiditra amin’izay izahay ary ny ankoatrany moa dia ny fambolen-kazo fihinam-boa marobe fiarovana ny tontolo iainana satria miha ritra ny loharano. Ialana amin’ny mpamosavy sy mpanelingelina dia hisintaka amina toerana lavitra tsy misy mpanelingelina aloha izahay hahazoana vokatra. Atahorana aoriana kely ao io resaka sakafo io. Tsy afaka hiala amin’ny boriboritany fahahefatra aho nefa satria teto no nahalatsahan’ny tavoniko. Mazava tsara ny resaka taratasy any ary tsy ho alainay ho anay ireo tany fa ireo mpamboly no ezahana hitondrana tekinisianina sy masomboly hampitana fomba amam-panao dia hivadika fandresena ilay izy avy eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mikolay ireo tantsaha mpamboly sy mpamokatra lodisia any amin’ny kaominina ambanivohitra Vohipeno,
Taratry ny fahapotehan’ny firenena ny Renivohitr’i Madagasikara, izay tena miaina
Somary nafana no sady niantona kely ny ranon’orana teto amin’ny Faritra Analamanga
Rehefa manakaiky toy izao ny volana desambra dia ny fety maro ho avy no hiantefany ny sain’ny daholobe.
Nomena fahafahana hivoaka ny fonja handevina ny zanany lahimatoa