Niantso ireo mpiasam-panjakana mba ho fitaratra amin’ny fanovana tiana atao eto amin’ny firenena nandritra ny diany tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny fanavaozana ny repoblika kolonely Randrianirina Michael. Miandrandra antsika mpiasam-panjakana ny vahoaka, hoy izy, ary isika no tsy maintsy mitarika ny fanavaozana. Nanentana ireo fonksionera mba tsy ho tia kolikoly izy, marina fa tsy ampy antsika ny karama fa kosa mangataka fitiavan-tanindrazana sy fitiavana ny vahoaka Malagasy eo am-panatanterahana ny asa. Tsy maintsy misy ny ezaka atao aloha , miara-misitraka ny tombotsoa azo avy eo. Mbola maro tokoa mantsy ny fitarainana azo momba ny mpiasam-panjakana : fomba fandraisana olona, fanajana fotoana, asa atao tokony ahitam-bokany mazava fa tsy hoe tonga miasa fotsiny dia izay satria ny karama mitomboka hatrany saky ny faran’ny volana .
Azo antoka fa hanova zavatra maro eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena ny fahatsapan’ny vahoaka fa manao ny asany araka ny tokony ho izy ary tena miezaka mba ahazoana vokatra tsara kokoa ny mpiasam-panjakana. Efa tena dingana iray lehibe amin’ny fanavaozana izany, manaraka ny ambiny. Mazava ho avy fa tsy maintsy irosoana ny fampihenana ny fampiasana taratasy fa miditra amin’ny fikirakirana solosaina sy ny teknolojia mba tsy hampitarazoka ny asa ; fomba iray hananana tahirin-kevitra azo antoka ihany koa io.
RTT
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona