airtel

Actualités

06-janv-2026

Haingo Paradis

"Maro no lasibatry ny

Sample post image

famoronana dosie rehefa tiana ho gadraina"

06-janv-2026

Tsy maty vonoina ny afon'ny fitiavan-tanindrazana ary hahatraram-pofon'aina, hoy ny mpitondra tenin'ny fikambanana FOMF, Haingo Paradis. Miverina ato an-tsaiko ny resaka nifanaovanay gadra politika tao am-ponja rehefa ilay manao revin-gadra iny hoe inona no hatao raha tahian'Andriamanitra ka mivoaka ato isika, hoy izy? Hoy ny Raiamandreny hajaiko, Lôla Rasoamaharo, hoe "Izaho rehefa mivoaka eto tsy hiaraka amin'ny madinika na hanampy azy ireo intsony fa hiaraka hiasa amin'ny mpanankarena amin'izay aho tsy miverina aty intsony. Voafonja aho izao angaha ireo mahafaka ahy aty? rehefa miaraka amin'ny mahantra ianao ka mitady sy mikendry ny ho tombontsoany dia tsy maintsy migadra" hoy izy. Miala tsiny manonona anarana fa nanampy betsaka ahy ianao ary ato am-poko mandrakizay ireny. Tsapako tena marina ilay izy ankehitriny saingy efa vita voady ho an'ny tanindrazana izahay ka tsy maintsy sedraina mafy. Tsy mora ny fiainana ao am-ponja fa tsy nitarainana ary maro ny lasibatry ny famoronana dosie rehefa tiana ho gadraina ianao. Mandroso sy manohy ny asa sosialy hitaky ny tombontsoan'ny madinika hatrany ny fikambanana natsangan'i Ramatoa Razaivola Raissa. Marihina fa i Daya Kouffaly no Filoham-boninahitry ny FOMF. Haingo Paradis kosa no mpitondra tenin'ny fikambanana, hoy hatrany ny fanamarihany.
Nangonin'i J. Mirija 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap