Vokatry ny haintrano nitranga tao an-toerana no nahatonga izany ary saika zaza amam-behivavy avokoa ny ankamaroan’ireo lasibatra. Amin’ny maha mpiray vodirindrana ny orinasa STAR sy ny fokontany Tsaramasay, dia tonga nitondra teny fampaherezana sy fanampiana ho an’ireo traboina ireo ny solontenan’ity orinasa ity, nahitana an’i Fanou Raveloarison, Responsable tompon’andraikitry ny sersara ivelany sy ny RSE. Vary milanja 150 kg, rano miisa 300 tavoahangy ary zava-pisotro miisa 300 tavoahangy no natolony tamin’izany. Nampanantena araka izany Rtoa Razanadrakoto Justine, filoham-pokontany mpanampy ao Tsaramasay fa hizara ireo fanampiana ireo araka ny tokony ho izy amin’ireo traboina. Ho an’ny orinasa Star kosa dia zava-dehibe ho azy ireo loatra ny fanampiana ny mpiara-belona tahaka izao, indrindra ny fiaraha-mitondra izay mavesatra amin’ny mpiray tanindrazana hahatsapan’ny tsirairay fa tsy irery izy ireny fa misy mahatsiaro hatrany.
Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa