airtel

Actualités

28-août-2025

HAINTRANO TETSY ANOSIBE

Manodidina ny 100 ireo traboina

Sample post image

Manodidina ny 100 isa ireo olona traboina vokatry ny haintrano nitranga tetsy Anosibe,

28-août-2025

Boriborintany faha-4, afak'omaly Talata 26 Aogositra alina. Fianakaviana miisa 24 no lasibatra tamin'izany, nonina tamin'ny trano hazo miisa 10 sy trano biriky miisa 6. Eo akaikin'ny Eglizy Katolika Masindahy Jérôme Anosibe, no misy ireo trano ireo izay marihina fa efa in-telo may hoy ny fitarainan'ireo traboina. Vokatry ny afo nipoitra avy tamin'ny tokantrano iray no nahatonga ny loza, izay mbola tsy voafaritra mazava na noho ny afon-dabozia na noho ny antony hafa. Potika tsy nisy noraisina vokatr'izany ny fananana rehetra noharian'ny isan-tokantrano an-taonany maro. Toraka izany koa ireo fitaovam-pianaran'ny ankizy vao novidiana sy nangonina hoy hatrany ny fitarainan'ireo mponina. Tsy manan-koraisina intsony izy ireo noho izany. Tsy afaka hianatra ihany koa ny zanany....Misy amin'izy ireo no mbola mijanona mialokaloka eny an-toerana raha misy koa ireo efa lasa namonjy ny havana aman-tsakaizany.
Nangonin'i Pati
Légende : Nolevonin'ny afo tahaka izao avokoa ny entan'ireo traboina
 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

250 tapitrisa dolara no andrasana

Card image cap
29-mai-2026

nampanantenaina tao Ambositra

Card image cap
29-mai-2026

artifisialy ilay teny Ambohimalaza

Card image cap
28-mai-2026

vahoaka ary hajaina ny heviny

Card image cap
28-mai-2026

mpiara-miasa ny depiote sy ny Ben’ny tanàna"

Card image cap
28-mai-2026

dia midika fa forongony..."

Card image cap