Efa an-taonany maro no nisian'ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena teo amin'i Madagasikara sy Maorisy. Hatramin'izay anefa dia tsy nisy rafitra na "structure" ara-dalàna kokoa nampifandray ireo mpisehatra ara-barotra eo amin'i Madagasikara sy Maorisy ireo", hoy Atoa Rojo Andrianasolo, Filohan'ny « chambre de commerce Maurice-Madagascar » sy ny AIOCCI.
MPANDRAHARAHA 50
Ny hametraka io rafitra io no antom-pisian'ny « chambre de commerce Maurice-Madagascar » amin'izao fotoana. Hetsika iray ahafahana manitatra ny tontolo ara-barotra sy ara-toekarena eo amin'ny roa tonta ny Moris-mada business connect, tanterahana eto Madagasikara ny 2 hatramin'ny 5 Jolay 2026. Mpandraharaha Maorisiana miisa 50 eo ho eo izay avy amin'ny sehatra maro no ho avy eto Madagasikara mandritra io efatra andro io. Hijery ny harena sy vokatra mampiavaka an'i Madagasikara, hijery ny fomba ahafahana mifanampy na ara-traikefa, ara-pahalalana na ara-pitaovana indrindra amin'ny resaka fambolena sy fiompiana.
250 TAPITRISA DOLARA
Hetsika maro no hotanterahana toy ny fitsidihana ny faritra Soavinandriana, kaonferansa, panel, rencontre BtoB,... Manodidina ny 250 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ho avy amin'io fotoana io, izay avy amin'ny sehatra rehetra ary asa 12.000 amin'ny sehatra maro samihafa no antenaina hisokatra. Notsindrin-dRtoa Misa Rasolofoarison, sekretera jeneralin'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny fanjifana fa Mitovy zavatra kendrena i Madagasikara sy Maorisy. Amin'ny lafiny ilany mifameno isika ary amin'ny lafiny ilany mpifaninana isika. Matoa ny Maorisiana ho avy eto dia efa fantany tsara mihitsy ny zavatra ilainy. Mila mivonona toa azy ihany koa isika Malagasy ka mametraka paikady sy fomba fiasa ary fomba fijery ho entina mijery ny tombontsoantsika mpampiantrano. Tanjona ny hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin'i Madagasikara sy Maorisy. Mba hisian'ny fifandanjana ara-barotra sy ara-toekarena ary ny tontolon'ny "investissement" eo amin'ny roa tonta. Tsara marihana fa tafiditra indrindra amin'ny vinan'ny fanjakana amin'ny fanamafisana ny varotra any ivelany, ny fanampiana ireo mpandraharaha ary ny fampirisihana ny fampiasam-bola eto Madagasikara ity hetsika ity.
LALAINA RAV