airtel

Actualités

10-déc-2025

Haja Ranjarivo

Tafaverina ho talen’ny OMDA

Sample post image

Rehefa tsy namelàn’ny fitondràna teo aloha,

10-déc-2025

tamin’ny alalan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina tamin’izany fotoana, Lalatiana Rakotondrazafy, sy ny ekipany, raha tsy niongotra tamin’ny toerana dia tapaka tamin’ny filànkevitry ny minisitra ny alatsinainy teo fa averina amin’ny andraikitra maha talen’ny OMDA na ny ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona ihany ny taleny tamin’izany fotoana, Haja Ranjarivo. Na dia teo aza, raha tsiahivina, tamin’izany fotoana izany ny fanoherana mahavaivay nataon’ireo artista, mpamorona, mpanakanto maro mba tsy hanekena ny fanesorana ity tale ity teo amin’ny toerany dia tsy navelan’io minisitra io sy ny ekipany raha tsy voahongotra tamin’izany toerany izany ity tale ity. Tsiahivina ihany koa fa manam-pahaizana manokana momba ny zon’ny mpamorona mihitsy ity tale ity ary maro ireo tetikasa sy fanavaozana nentiny tao anatin’izay tontolon’ny famorononana sy ny zon’ny mpamorona eto Madagasikara izay, hoy ny fanazavàna voaray avy amin’ireo mpanakanto niaro azy tamin’izany fotoana izany. Ankoatra azy moa dia isan’ny nongotana tamin’ny fomba nampametra-panontaniana maro tamin’izany fotoana izany koa ny tale jeneralin’ny OMACI na Ofisim-pirenena momba ny sarimihetsika. Ity rafitra voalaza farany ity aza moa dia nosoloina mihitsy hatramin’ny anarany. Andrasana ihany koa, araka izany, ny tohiny.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Hivaly ny 12 oktobra ny fangatahan-dRavatomanga

Card image cap
10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap