misehatra eo amin'ny fandrindrana ny loza sy ny tandindon-doza teny amin’ny CNGRC Ivon-toerana Nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza teny Antanimora ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly hariva ; ary nanotrona azy teny an-toerana ireo minisitra voakasika mivantana amin’izao fiomanana izao, araka ny seraseram-baovaon’ny Primatiora. Teboka maro no nodinihina nandritra ny fikaonan-doha ka niompana tamin'ny tatitra sy ny hetsika rehetra efa natao hiomanana amin'ny fiatrehana ny fiantraikan'ny andro ratsy, sy ireo fepetra mbola horaisina, izany. Anisan’izany ny fanomanana an’ireo toeram-pandraisana tra-boina, ny fametrahana ny fitaovana hamahana lalana ao anatin’ny 24 ora, ny famatsiana rano fisotro madio, ny fanetsehana ny tompon’andraikitra rehetra isam-paritra manoloana ny fiatrehana ny loza mety ho avy. Noresahina ihany koa ny tetibola hamatsiana ny hetsika ary handraisana an-tanana avy hatrany ny vahoaka raha sanatria misy ny loza, hoy ny tatitra.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa