airtel

Actualités

24-avril-2025

Harilala Ramanantsoa

«Ny olona rehetra dia teren’ny lalàna hanadio sy hanatsara ny manodidina azy!»

Sample post image

Ny talata 22 aprily 2025 teo dia nitety ny tanànan’Antananarivo niaraka tamin’ireo mpanao

24-avril-2025

gazety ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Harilala Ramanantsoa, sy ny ekipany nijery ireo asa fanarenana ity renivohitr’i Madagasikara ity. Araka ny fanazavany dia isan’ny tetikasa apetraka ato ho ato ny antsoina hoe «Plafond végétale», izany hoe fametrahana zava-maniry mitroka entona karbaonina eny an-tampon’ireo tonelina eto Antananarivo. Iaraha-mahalala, hoy izy, fa feno loto na «pollution» anatin’itony tonelina itony ka heverina fa ilaina izany. Efa mandeha kosa ny asa fanentanana ireo mponina tsy hizatra hanarinary ny fakon’izy ireo, toy ny harona tsy lena na «sachet plastique» sy tavoahangy eny rehetra eny. Isan’ny tena naha be asa ny teo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny nanala ireo peta-drindrina satria isan’ny tena sarotra ny mitaiza ireo olompirenena hametraka azy ireny amin’ny toerana voatokana ho an’izany. Napetraka ho fanamby ho an’ireo sefo fokontany ny fanalàna azy ireny satria sady mandoto no mandany fotoana ary mandany vola ny manala azy ireny. Dingana voalohany izao natao izao nametrahana aloha ireo toerana voatokana ho an’ny mpandeha tongotra na «passage pour piéton». Napetraka amin’izy ireny ny polisy monisipaly mba hanoro sy hampahatsiahy ny olona fa eny no fiampitàna. Isan’ny manatsara ny endriky ny tanàna koa ny fandokoan’ireo olon-tsotra, minisitera, sehatra tsy miankina ny manoloana ny tranony. Misy didim-pitondrana anivon’ny kaominina na «arrêté municipale» mametraka fa ny olona rehetra dia teren’ny lalàna hanadio sy hanatsara ny manodidina azy, hoy hatrany ny ben’ny tanànan’Antananarivo!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap