airtel

Actualités

13-nov-2024

HAVANDRA NIRARAKA MAINA TAO MANAZARY

Olona 2 no namoy ny ainy, potika ny 90%n’ny fambolena

Sample post image

Mifandimby mamono olona ny havandra sy ny varatra eto amintsika.

13-nov-2024

Raim-pianakaviana iray 45 taona sy Renim-pianakaviana iray 37 taona no fantatra fa matin’ny havandra niraraka maina tao Antsahamaroloa, Fokontany Beapombo, Manazary, distrikan’i Miarinarivo afak’omaly Alatsinainy 11 Novambra tokony ho tamin’ny 06 ora sy 15 minitra. Toy ny vatokely no firarak’izany raha araka ny fanazavan’ny mponina fa tsy nisy orana firy. Ankoatra ireo aina roa nafoy ireo dia potika hatrany amin’ny 90% ihany koa ny fambolena toy ny vary, ny mangahazo, ny saonjo raha trano maro no simban’ny rambon-danitra tao Medana. Fantatra moa fa lasan’ny rano daholo ihany koa ny biby fiompy. Taorian’ilay havandrabe mantsy dia nifafy tsy nitsahatra ny ranon’orana ka niteraka tondra-drano indray. Samy alevina anio Alarobia 13 Novambra moa ireo olona 2 namoy ny ainy ireo.
Pati
Legende : Tao anaty tatatra tahaka izao no nahitana ny razana !
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap