airtel

Actualités

14-déc-2022

Actualités

HE Mada « Andao tohanana ireo antoko manana fotokevitra »

Sample post image

Manasa ny olompi-renena rehetra ny antoko politika Humaniste Ecologiste na HE Mada hanohana ireo antoko politika manana fotokevitra sy ideolojia hitondrana fampandrosoana eto amin’ity firenena ity.

14-déc-2022

Manentana antsika, hoy izy ireo, hizara izany satria misy vahaolana tokoa, ohatra, arosonay mikasika io olan’ny JIRAMA io. Ny olom-pirenena no tena tompon’ny fahefana eto amin’ity firenena ity amin’ny maha repoblika antsika. Rehefa tonga koa ny fifidianana dia fahefana mihitsy ilay mifidy. Aza ariariana fotsiny ny fahefanareo amin’ity indray mitoraka ity fa tena ampiasao ary tsarao izay mamitaka sy mandainga ary manao ny tsy mety eto amin’ny firenena. Nanana olom-boafidy miisa 3 izahay tanaty vondrona Komba teto anivon’ny tan0nan’Antananarivo. I Balita moa nivadika lasa nanohana ny mpitantana ankehitriny. Nandrasana kendry tohana mihitsy ny olom-boafidy anankiroa dia Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo na hivadika TIM na hivadika IRK fa tsy niova tamin’ny fotokeviny ireo hatramin’izao. Tsy nizara T Shirt na vola na siramamy izahay nandritry ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Voaporofo teo amin’ny tantara politika izany fa tsy voatery mizara izany vao lany. Ho tohizanay izay fomba fiasa izay. Ho tohizanay ny fitaizanay ny olom-pirenena amin’ny fotokevitra, ny fomba fiasa, asa tanterahan’ireo olom-boafidinay ireo. Manana kandida ho mpanolontsain’ny tanàna, ben’ny tanàna, solombavambahoaka ny HE Mada amin’ity. Izay aloha no azo ambara, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap