ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany Houlder Ramaholimasy, ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina, notronon’ireo mpikambana maromaro tao amin’ny Governemanta ary ireo olo-manan-kaja maro. Nambara fa laharam-pahamehan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny famerenana ny tany amin’ny Malagasy, hoy ny Fanjakana. Naneho noho izany ny Praiminisitra Atoa Ntsay Christian fa nanao fanavaozana mahakasika ny fananan-tany ny Fanjakana nandritra ny efatra taona izao. Ary izay ihany koa, hoy izy, no maha zava-dehibe ity hetsika ity, mba hampifanarahana amin’ny zava-misy ny sehatry ny fananan-tany sy hijerena ny sakana mba hahafahan’ny Malagasy misitraka ny zony. Nilaza ny Lehiben’ny governemanta fa mila rindran-damina sy fitantanana mahomby ary fandaminana eny anivon’ny Birao Ifoton’ny fananantany (BIF) izany. Notsipihiny fa rehefa misy ny drafitra apetraka dia tokony hampihatra an’izany sy hanaja ny lamina napetraka ireo mpisehatra rehetra, miainga any ifotony. “Ny Fanjakana dia mijery hatrany ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy na aiza na aiza misy azy satria zon’izy ireo ny hisitraka tany”, hoy hatrany ny Lehiben’ny governemanta. Araka ny tatitra navoaka omaly, miisa 3115 ny karatany ary 601 kosa ny bokin-tany « titre » nozaraina nandritra ity fanokafana ny fankalazana ity. Trano heva 22 no mampiranty sy mampahafantatra ny mahakasika ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany hatramin’ny 10 novambra izao.
Toky R
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny