airtel

Actualités

02-oct-2025

Herisetra sy famonoana ny Malagasy

Naneho ny alahelony ny Papa Léon XIV

Sample post image

Naneho ny alahelony sy ny ahiahiny lalina

02-oct-2025

i Papa Léon XIV manoloana ny toe-draharaha mafampana eto Madagasikara, taorian’ny herisetra niseho nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny fahatapahan’ny rano sy herinaratra. Fanehoan-kevitra nataony nandritra ny fivoriana ankapobeny tao Vatican omaly 01 oktobra, araka ny tatitry ny Vatican News. “Mivavaha isika amin’ny Tompo mba hisorohana hatrany ny herisetra amin’ny endriny rehetra,” hoy ny Papa, maneho fanohanana ara-panahy ho an’ny vahoaka malagasy. Hafatra nataony io taorian’ny tatitra nataon’ny Firenena Mikambana na ny ONU izay nilaza fa olona 22 farafahakeliny no namoy ny ainy ary an-jatony no naratra vokatry ny fidiran’ny mpitandro filaminana tamin’ny fihetsiketsehana am-pilaminana. Ny Papa izay mametraka hatrany fa ny fandriampahalemana dia vokatry ny fifampiresahana, ny fanajana ny zon’olombelona, ary ny fiezahana mitohy amin’ny rariny sy ny soa iombonana. Tsy vaovao aminy i Afrika, ka tsy nafeniny ny alahelony amin’ny zava-mitranga sy miseho. Ny tanora anatin’ny Génération Z no mihetsika, mangetaheta rano sy herinaratra, mangetaheta fiovana, saingy vono olona sy herisetra no setriny. Madasikara izay voasokajy ho isan’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany na dia manana ireo harena voajanahary samihafa aza. Naneho firaisankina amin’ny fianakavian’ireo niharam-boina sy ny vahoaka malagasy manontolo ny Papa. Nampanantena vavaka sy fisaintsainana ho an’ny firenena izy, ary nanentana ny fiangonana maneran-tany mba hanohana amin’ny vavaka sy amin’ny asa fiantrana. Ankoatra io, efa nisy ny hafatra nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka malagasy, niantso ny rehetra indrindra fa ny mpanao politika hihaino amin’ny fitiavana ireo mijaly, ary hiara-misalahy amin’ny famonjena an’i Madagasikara. Asa mba mahataitra ny fitondrana ve izao hoe : efa ny olobe isan’ny to teny sy be mpanaraka indrindra eto ambonin’ny tany no miteny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-janv-2026

anarana biometrika i Madagasikara

Card image cap
13-janv-2026

Raim-pianakaviana. iray vao 22 taona

Card image cap
09-janv-2026

sy sarany tena sahaza ireo manam-pahaizana!»

Card image cap