airtel

Actualités

15-mars-2023

Actualités

Hetsika Tana design week Ho atao mivelatra kokoa amin’izao tontolo izao

Sample post image

Tontosaina etsy amin’ny gara Soarano nanomboka ny sabotsy teo hatramin’ny 18 martsa izao etsy amin’ny gara Soarano ny andiany faharoa amin’ilay hetsika antsoina hoe Tana design week, izany hoe Tana design week 2.

15-mars-2023

Mivelatra amin’izao tontolo izao ny hetsika amin’ity taona ity, hoy ny fanazavana, satria dia handray vahiny avy any Soisa, Frantsa, Italia isika. Hisy koa ny hiditra mivantana avy any Inde. Hitondra ny lohahevitra hoe “Ary raha” izany amin’ity taona ity satria io no voambolana heverina ho mahadika ny atao hoe “design” amin’ny teny malagasy. Mamolavola toe-javatra sy toe-tsaina izay “Ary raha” izay. Maro ny fampirantiana ho aseho amin’io fotoana io. Isany ny fanorenana sekoly eny Mahitsy, izay toerana saro-dalana nefa mendrika sekoly tsara. Mpahaitaotrano malagasy sy frantsay no hiaraka hamolavola azy io. Aorian’izay ny atao hoe “Ecole du non savoir” na sekolin’ny zavatra tsy fantatra. Tetikasa hampifandray sekoly maromaro maneran-tany toy ny eto Madagasikara, Pologne, Italia, Frantsa izy io. Ho an’I Madagasikara manokana dia tanora nianatra ny Sorabe no hitondra ny hoe ahoana no hamolavolana ny Sorabe ho sady soratra no angovo hamolavola toetsaina. Fahatelo ny resaka fanaka an-tanan-dehibe, raha atao dika malalaka. Fahaefatra ny hoe manenona lamba, manenona fifandraisana iraisampirenena na “Tisser les lamba, tisser les liens”. Fanontaniana mipetraka ny hoe hionona amin’ny vokatra famarotra eto an-toerana fotsiny ve isika sa hiroso bebe kokoa amin’ny tsena iraisampirenena? Ny faha 5 ny hoe « Ady gasy », izay iarahan’i Dieudonné Razafinjatovo sy Ernesto Rosa no miara-miasa mamolavola izany, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

 


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap