airtel

Actualités

20-févr-2023

Actualités

Hiditra rahampitso ny Rivodoza FREDDY Mahery vaika indrindra taorian’i Gafilo ny 2004

Sample post image

Tany amin’ny 1639 atsinanan’I Toamasina no nisy ny Foiben’ilay rivodoza Freddy omaly tamin’ny 3 ora tolakandro teto amintsika,

20-févr-2023

araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy tandindon-doza na ny BNGRC omaly tamin’ny 6 ora hariva. Omaly tamin’ny 09 ora maraina anefa dia tany amin’ny 1808 Km Atsinanana somary avaratra atsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny, izany hoe nahafaka 169 km tao anatin’ny ady enina. Mikisaka miakandrefana somary atsimo hatrany izy ka mahafaka 26 Km/ora. Nitombo hery, ka mbola voatazony ny maha rivodoza mahery vaika (Cyclone Tropical Très Intense) azy satria mahatratra 220 km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 310 km/ora manakaiky ny foibeny. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Vatomandry sy Manakara ny alin’ny rahampitso talata 21 febroary izy, vinavinaina ho 175 km/ora ny rivotra hiaraka aminy ary 245km/ora ny tafiotra amin’izay fotoana izay. Hikija ny rotsak’orana satria mety hihoatra ny 180 mm, hahery be na hisamboaravoara ny ranomasina izay hahatratra 10 metatra, ary ahiana mafy ny fiakaran’ny ranomasina indrindra manamorona ny faritra hidirany an-tanety. Nahazo filazana fanairana miloko maintso noho izany ireto distrika ireto: Analanjirofo, Atsimo Atsinanana, Alaotra, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe, Ny distrikan’i Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Morombe ary Toliara I-II. Nahazo toromarika sy iangaviana ireto faritra ireto mba hanamafy ny fiomanana ka hampiatra ny fepetra mikasika ny filazana loza manambana miloko mavo : Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina manomboka any Sambava ka hatrany Cap Ste Marie mba tsy hiandriaka intsony manomboka ny Alatsinainy alina satria hiharatsy ny toetry ny andro nohon’ny alondrano izay haterak’i Freddy, hoy ny toromarika. Entanina ny rehetra mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony, hoy ny eo anivon’ny Sampana Mpamantatra ny toetr’andro.
MAHERY VAIKA INDRINDRA TAORIAN’I GAFILO
Tena mahery vaika ity rivodoza ity, ka irariana tokoa mba hihena ny heriny mialohan’ny hidirany an-tanety. Tsy mbola nisy rivodoza ao anatin’ny sokajy CTTI (Cyclone Tropical Très Intense) mantsy nandindona an’I Madagasikara taorian’i Gafilo ny taona 2004. Ity Freddy ity no rivodoza faran’izay mahery vaika indrindra mandindona sy ahiana handravarava ny tapany atsimo-andrefan’ny ranomasimbe Indianina, taorian’I Gafilo ny martsa 2004, izay tsiahivina fa nandravarava an’i Madagasikara, ary nahafatesan’olona 363 raha kely indrindra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap