airtel

Actualités

25-mars-2026

HISOROHANA

NY LOZA VOAJANAHARY

Sample post image

Hiara-kiasa ny BNGRC sy ny QMM

25-mars-2026

Hiara-kiasa ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary sy ny orinasa QMM hisorohana ny loza voajanahary. Faritra vitsivitsy ao anatin’ny kaominina Taolagnaro mantsy no fantatra fa tandindomin-doza amin’ny mety ho fihotsahanan’ny tany sy tangorom-pasika. Antony nandraisian’ny orinasa QMM, izay manana anjara toerana lehibe ao amin’ny faritr’i Taolagnaro fepetra izany amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny BNGRC. Tafiditra ao anatin'izany ny fanaovana fikarohana manokana sy fanadihadiana ary fanentanana mahakasika ny zava-nisy tany aloha sy ny loza mety ho avy. Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny BNGRC amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindonin-doza no anton’izao fiaraha-miasa izao raha eo ihany koa ny fananan’ny BNGRC ireo matihanina manokana momba izany. Tompon’andraikitra eny anivon’ny fokontany miisa 30 noho izany no nomen’ny BNGRC fampiofanana omaly Alarobia faha 24 Martsa tany an-toerana.
Pati
Légende : Nandritra ny fihaonan'ny roa tonta !

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap