airtel

Actualités

22-févr-2022

Actualités

Hita ny marimaritra iraisana Hiverina hiasa ireo vaditany

Sample post image

Hiverina handray ny asany avokoa ireo vaditany rehetra manomboka anio talata 22 febroary ireo raha nisy ny fifampidihina niarahan’ny birao holafitra nasionaly sy ny minisiteran’ny fitsarana manoloana ny fitakian’ireo vaditany

22-févr-2022

 nandritry ny fampiatona ny asan’ireo tao anatin’ny andro maromaro. Anisan’ny nampitokona ireo vaditany manerana ny nosy ny tsy fanajana ny asan’izy ireo izany hoe misy ny tsy manaiky ny fampiharana ny didim-pitsarana izay efa nivoka. Takian’ireo vaditany koa ny fihatrehan’ireo ny mpitandro ny filaminana azy ireo eo ampanatanterahina ny didy. Nilaza mantsy ireo vaditany fa misy ny mpitandro ny filaminana no tsy manatrika ny fampiharana ny didy ka miteraka ny herisatra mahazo azy ireo eo ampananterahin ny asany. Nohon’izay indrindra no niray feo nampiatsahatra ny fandraisana ny didim-pitsarana ireo vaditany rehetra manerana ny faritra 23 eto Madagasikara mba hisian’ny fahalalana ny asan’izy ireo. Nisy arak’izany ny fampiantsoana nataon’ny minisiteran’ny fitsarana ny birao ny holafitry ny vaditany eto Madagasikara nitadiavam-bahoalana mikasika ny fitakiana nataon’izy ireo ity. Niravona arak’izany ny fitokonana nataon’ireo mpampihatra didy ireto taorian’ny fifampiresahina natao teo amin’ny roa tonta. Hisy mihitsy arak’izany ny fivoriambe ataon’ny vady tany sy ny minisitera ary ny mpitandro ny filaminana ahafahana mametraka ny lalana sy ny fepetra raisina manoloana ny fampiharana ny didim-pitsarana izay asa mivantana sahanin’ny vaditany. Nanao fanambarana miaraka ny minisiteran’ny fitsarana sy ny holafitry ny vaditany eto Madagasikara nilaza ny fiverenan’ny asan’izy ireo manomboka anio.

Tolin


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap