airtel

Actualités

25-nov-2022

Actualités

Hivoaka anio ny tombana momba ny Jirama Fifanilihana no betsaka, ny delestazy tsy resy

Sample post image

Telo andro na efatra andro lasa no namaly hafatra farany ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina, ary eto Antananarivo raha ny nambaran’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo omaly.

25-nov-2022

Noho ny tsy fahasalamana rehefa avy any Nosy be no antony tsy nahitana azy, tsy nahafahany niatrika ny tombana teo anivon’ny Jirama, raha ny fanazavan’ny minisitra. Nambara fa tokony hiverina hiasa omaly na anio ny Tale Jeneraly mpisolo toerana. Tapitra afak’omaly 23 novambra moa ny tombana natao tamin'iteo tomponandraikitra ambony eo anivon'ny orinasa, ary anio no hamoaka ny fehin-kevitra ny tompondraikitra telo amin'izany dia ny minisitra, ny eo anivon'ny fitalevana ankapobeny ary ny Filankevim-pitantanana, raha ny fanazavana. Ohatran’ny ratra na vay amin’izy ireo izany ka marary rehefa efa hesorina, koa tsy omena tsiny raha misy ny fitaintainana sy fitabatabana, hoy io Minisitra io. Nambarany kosa fa tsy mety raha lasa ampidirina politika ilay zavatra satria lasa mitondra fanakorontanana. Notsipihin’ity minisitra ity fa eo ambany fiahiahian’ny departemanta tantanany ny Jirama ka lojika ny fidirany an-tsehatra, saingy mbola tsy nanery amin’ny resaka loko politika izy. Tsara ny mampahatsiahy fa misy ny fitakian’ireo sendika sasany ny tsy tokony hitsabahan’ny minisitra amin’ny Jirama sy ny fialan’ity minisitra ity ary ny tsy fandraisana baiko avy aminy intsony. Nipoitra avy eo ny sendika hafa izay niaro ny Minisitra sy naneho fa mankasitraka ny ezaka ataony. Toa lasa nivadika ho fampisamahana ny mpiasan’ny Jirama. Na ny mamondrona sy mampiray feo ireo mpiasa mba hifantoka amin’ny ady sy fanamby goavana hatrehana dia ny fanafoanana ny delestazy aza izany toa tsy vita. Andrasana indray izay akon’ny tombana, fa ny tena andrasan’ny vahoaka dia ny fitsaharan’ny delestazy. Tsy maharo tena amin’ny vokatry ny asany intsony ve ny minisitra ka mampiteny olona hiaro azy amin’ny sezany? Izay ifanosehan’izy ireo ao, samy tompon’andraikitra feno amin’izao olana izao izy rehetra. Toa lasa fifanilihana anefa no betsaka. Efa nilaza ny minisitra fa ny 70% amin’ny olana dia tsy fahafehezan’ny teknisianina ny asany, ary ny 30% avy amin’ny hasomparana. Tsy misy andraikitry ny minisitra sy ny ekipany ve izany ny delestazy satria izy efa manao serasera sy mizara jiro cobra? Hivoaka ny valin’ny tombana dia hanao ahoana ny tohiny? Hivaha ve ny delestazy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap