airtel

Actualités

20-févr-2023

Actualités

Ho avy ny rivo-doza Freddy Misy afindra toerana ireo mipetraka amin’ny faritra avo

Sample post image

Tapitra mihorohoro avokoa ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina manoloana ny fidiran’ilay rivo-doza Freddy eto amintsika rahampitso Talata.

20-févr-2023

Tsy vitsy ireo efa miomana sahady noho izany manokatra ny tata-drano, manamboatra ny tafontrano ahiana hoentin’ny rivotra, mampirina ireo karazana antontan-taratasy sarobidy…. Ho an’ny mponina eto Antananarivo renivohitra manokana dia efa mandeha ny fanentanana ny mponina nanomboka ny zoma teo. Anisan’ireny ny fanamafisana ny tafo, ny varavarana sy ny varavaran-kely idiran'ny rivotra amin'ny trano. Eo ihany koa ny fiarovana amin’ny plastika ny entana sy ny taratasy manan-danja rehetra. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanangonana vary na ny voankazo sy ny vokatra hafa manoloana ny mety hisian’ny oram-be sy ny rivotra mifofofofo. Ho an’ireo mponina any amin’ny faritra misy saina mena, izay atahorana hihotsaka eny amin’ny havoana toy ny eny Ankadilalana….dia tsy maintsy mandao vonjimaika ny trano fonenany izy ireny ary manatona ny ELS-n’ny fokontany amin’ny fandaminana tokony harahina rehetra hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Tsy maintsy miala ireo mponina ety amin’ny faritra misy saina mena
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap