Hatreto mantsy dia efa maromaro ihany ireo olona nitaraina fa tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo rehefa tonga eto Antananarivo na any Mahajanga. Misy amin’izy ireo no mivalan-dra mihitsy raha misy ireo mandoa sy marary kibo tsotra. Raha araka ny fitarainan’ireo mpanjifa dia mety ho ny menaka miverimberina hampiasain’ireo hotely raha eo ihany koa ny havoretrana no antony mahatonga izany. Misy mihitsy moa ny namoaka vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera fa navadik’ireo mpanao hotely éponge fanasana lovia nasiana saosy ny ati-kena laoka nokaomandiany izay nalainy sary mihitsy. Tsiahivina anefa fa efa mahatratra 6000 Ar ka hatramin’ny 10.000 Ar amin’izao ny iray lovia amin’ny vary maina sy laoka ao Ambondromamy. Antso avo araka izany no hatao amin’ny sampan-draharaha misahana izany eo anivon’ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka mba hijery akaiky io tandrevaka hataon’ny hotely ao Ambondromamy io fa tena mihatra aman’aina tokoa. An-jatony isan’andro moa ireo olona misakafo ao an-toerana raha tsiahivina.
Pati
Legende : Ity ilay « ati-kena – éponge » natao laoka
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.